Niarahan'ny rehetra naheno teo aloha teo ny faharendrehan'ny sambo TROPICANA II, nitondra mpozahatany vahiny miaraka amin'ireo mpitari-dalana (guides) Malagasy niaraka taminy.. Nampalahelo anefa fa noho ny faharatsian'ny toetr'andro, raha iny hidina anaty zodiac iny ireo zandary no latsaka tany anaty ranomasina ireo nalefa hirakora izay niafaran'ny Tropicana II ka zandary roa no maty androany nandritra ny fikarohana ireo olona tsy hita popoka tamin'io faharendrehana io. Efa hita ny fatin'i Vonjy, iray amin'ireo zandary roa maty amperin'asa ireo, fa mbola karohina fatratra kosa ny iray (RIVO). Efa eo ampikarakarana ny razana hihazo an'i Sainte-Marie ny tompon'andraikitra amin'ity alina ity, mandram-pandefa azy ho any Fenerive-Est. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'izy roalahy ary koa ho an'ny fianakaviam-ben'ny zandary Malagasy.
Haverina amin’ny teny Malagasy ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra (primaire) araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Momba izany no nanasàn’ny fahitalavitra tsy miankina iray (TVPlus) ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Ambaratonga Ambony RATREMA William, sady mpanorina ny vondrom-panabezana ACCEEM ihany koa.. Ny mpanao gazety nanasa azy kosa dia Onitiana Realy
Indro tateriko ho anao etoana ny dinidinika nataon’izy mianaka ireo ka ny OR dia raiso ho i Onitiana Realy ary ny RW dia raisintsika hoe RATREMA William
OR: …niainga avy teny amin’ny Ambaratonga fototra, avy eo nampianatra teny amin’ny Ecole Normale Supérieur…niakatra hatreny amin’ny Université amin’izao fotoana izao…azontsika resahana tsara mihitsy ny traikefa sy ny zavatra rehetra hitanao, niainanao mikasika ny hoe mpianatra sy ny fampianarana eto Madagasikara….Fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana ny hoe hamerina ny fanagasiana. Vao mihaino ilay hoe fanagasiana ny olona dia ataontsika hoe mihorona ny hodi-dohany…mihoron-koditra izy satria tonga dia mandray ilay fanagasiana niainantsika tany amina’ny Repoblika faharoa tamin’ny 1972 hatramin’ny 1977 tany. Eo indrindra no mahatonga ilay fisalasalana eo amin’ny raiamandreny izay mpianatra nandalo an’izany taloha satria hitany ny fiantraikan’ilay fanagasiana teo amin’ny tenany sy ny fianarana norantoviny. Amin’izao fotoana izao izy raiamandreny, tsy te-hamerina an’izay intsony ho an’ny zanany na ny taranany. Inona no ambaranao mikasika an’izay, hoe tsara ho antsika ve ny miverina amin’ilay hoe fanagasiana? Avy eo isika mantsy hiditra amin’ny votoatin’ilay fanagasiana hapetraka.
RW: ..na ilay fomba fiteninao azy aza dia somary manaitra ihany ilay hoe mampihoron-koditra ny Malagasy, nefa teny Malagasy, tenim-pireneny, izany izany aloha dia efa somary mahagaga ihany. Amin’ny maha Malagasy antsika izany dia zavatra tokony hahafaly ny hoe fanomezana hasina ny tenintsika izany …nefa zava-misy izay voalazanao izay. Tsara marihana fa raha vao miresaka an’ity teny ity isika, indrindra amin’ny resaka fampianarana dia be dia be ny fihetseham-po…mety mifanohitra. Misy ny faly ary misy ny manahy araka ny voalazanao teo…Tokony ho amin’ny saina tony no hiresahana azy sy hifanakalozan-kevitra momba izany, ary tokony ho lalan-tsaina siantifika no hijerena azy…Tsy maintsy miainga aloha amin’ny zava-nisy ara-tantara…Inona moa no nahatonga antsika amin’izao dingana misy antsika izao? …Inona no hevitr’ireo manampahaizana izay nandalina momba ny toe-tsaina, nandalina momba ny fiaraha-monina, nandalina momba ny maha-olona mihitsy…ireo siansa samihafa manomboka any amin’ny psychologie, anthropologie, sociologie sns…hatrany amin’ny hoe taranja siantifika. Manana ny heviny izy ireny, ary eo anivon’ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny UNESCO …UNICEF dia naneho ny heviny ireo manampahaizana manokana ireo ary nisy fehin-kevitra navoakan’ireny….voaporofo ara-tsiansa. Marihana ihany koa fa isika …dia nanao sonioa ireny fanambarana iraisam-pirenena ireny izay manome hasina aloha ny teny izay nibeazan’ny zaza. Ilay “Tenin-dreny” moa dia nadika ara-bakiteny avy amin’ny teny dfrantsay fotsiny, fa ny hoe “Teny nibeazana” no metimety kokoa. Tsy maintsy mahay mihaino…Tsy maintsy mijery ihany koa ny tarehi-marika hoe raha nampianarina tamin’ny teny Malagasy ny ankizy, nanao ahoana ny vokatra hatramin’izay fotoana izay, …raha nampianarina izy izao nanomboka tamin’ny 1989 isika niverina tamin’ny teny frantsay, nanao ahoana ny vokatr’izay ara-tarehi-marika amin’izao fotoana izao, tsy any aty an-tanandehibe ihany fa hatrany ambanivohitra?...ny raharaham-pirenena, ny hoavin’ny taranaka tsy azo atao amin’ny resaka fihetseham-po….tsy maintsy jerene ihany koa anefa ny fihetsehan’ny sokajin’olona samihafa manoloana izay mety ho fanapahan-kevitra. …raha tamin’ny 1972 isika dia nentanin’ny fihetseham-po fitiavan-tanindrazana noho ny fangejana ny fampianarana nataon’ny mpanjanaka teto…dia na teo amin’ny fanatanterahana aza dia mbola iny fihetseham-po iny no nentina nanatanteraka azy fa tsy mba nihataka kely aloha nandinika. Amin’izao fotoana izao izany ny mampanahy di asao dia resaka fihetseham-po koa…Ny nitranga tamin’ny 1989 dia nisy izany ny resaka zava-nitranga mikasika ny hoe fanagasiana…mbola hofaritana ny hoe inona no fahombiazana na tsy fahombiazna tamin’izy iny…dia nentanim-po indray izany , dia niverina tamin’ny teny frantsay…ary dia nivoaka tamin’ny gazety Le Monde mihitsy hoe “Les Malgaches sont plus Francophiles que les Français” taorian’iny fanapahan-kevitra tamin’ny 1991 iny….Nanome ny heviny ny fanjakana hoe ho ampiasaina ny Teny Malagasy any amin’ny Ambaratonga voalohany ho teny entina mampianatra…efa nanao valan-dresaka Ramatoa minisitra nefa azo ambara fa mbola ilay hevitra fototra fotsiny no voamba hatramin’izao. Fa ny antsipirihany, na ny dingana talohan’ny nanapahana io hevitra io sy ny dingana aorian’ny fanapahjan-kevitra dia mbola tsy voalaza mazava. Fa eto ny mahasarika amin’ilay resaka izany satria mbola tsapa izany vaovao eo am-pelatanantsika ahafantarana amin’ny endriny feno ilay politika vaovao ampiharin’ny fanjakana manomboka izao. Ny zavatra tsapa fotsiny aloha izany dia hoe ampiasaina ny teny ho enti-mampianatra any amin’ny ambaratonga voalohany na any amin’ny ambaratonga fototra ny teny Malagasy, izay aloha izany no zavatra fantatra…
OR: …ny tarnja rehetra izay ho ampianarina ny ankizy any amin’izay Ambaratonga fototra izay dia ho amin’ny teny Malagasy, fa nambaran’ny Minisitra omaly fa hisy ny taranja frantsay (cours de français) …hianaran’ny ankizy any amin’io ambaratonga voalohany io. ..Manoloana ny fanontoloana, …mahatsara antsika ve izay zavatra izay (fampiasana ny tenion-dreny, araka ny toro-hevitry ny UNESCO) ?
RW: …tsy hoe vokatry ny hevitro manokana fotsiny, fa vokatry ny fandinihana ireo tahirin-kevitra nosoratan’ireo manam-pahaizana nanao fikarohana …dia ireo manampahaizan’ny UNESCO, na ny manampahaizana eto amintsika ihany koa, … dia eo amin’ny vanim-potoana famolavaolna any maha-izy azy dia tsara tokoa raha ilay teny ibeazan’ny ankizy aloha no amolavolana ny toe-tsainy. Meteza fotsiny ianao io….tsy mahay teny rosiana, ohatra, izao dieny izao ianao dia alefa aeroplane, apetraka any afovoan’ny tany any Rosia any, dia teny vahiny izany no any, metea ianao hipetraka amin’ny toeran’ilay zazakely apetraka anaty tontolo iray izay vaovao tanteraka aminy….Araka izay fiheverako azy, io fanapahan-kevitra io dia tsy noraisin’ny fanjakana fotsiny tamin’izao, fa nisy vaomiera siantifika niasa, ary vokatry ny asan’izau vaomiera izay no nandraisana fanapahan-kevitra …tsy mbola fantratro tsar any antsipirihany ka sarotra amiko ny hiresaka. Ny fantatro fotsiny dia karazana rohin-kevitra voajanahary ary siantifika no nandraisana io fanapahan-kevitra io, dia io no hibeazan’ny ankizy, io no itenenany voalohany, io no nanabeazana azy tamin’ny fianakaviany mba tsy hisian’ilay dona ara-tsaina hitranga aminy eo amin’ilay fotoana hanorenana ny maha-izy azy…fany fomba hanatanterahana azy …eo isika no hanao fampitahana hoe tamin’ny 1972 dia vokatry ny fihetseham-po ilay fanapahan-kevitra, aza adinoina fa vokatry ny fihetsehan’ny mpianatra ilay tamin’ny 1972 fa tsy vokatry ny fihetsehan’ny olon-dehibe akory, izany hoe ireo mpianatra izay nianatra tany an-tsekoly…nahatsapa fa hoe nisy lesoka tao dia nihestika tsy nankasitraka an’ilay rafi-pampianarana tamin’izany fotoana izany. Izay no zava-nisy tamian’iny fotoana iny…dia mazava ho azy fa ny mpanao politika rehefa tonga eo amin’izay fotoana izay dia tsy maintsy mijery hoe inona no ahazoany ny fon’ny vahoaka mba hahazoanao ny fahefana, dia nanaraka an’izay firehana izay izy. Saingy eto no mampanontany tena ihany hoe tena resy lahatra ve ilay mpitondra tamin’izay fotoana izay fa hoe tena izay no tokony natao? Tena faharesen-dahatra ve ilay izy sa hoe firehana fotsiny an’ny vahoaka ka izaho te-hiditra eo amin’ny fitondrana dia arahako izay firehan’ny vahoaka izay? Sa kosa nisy fandinihana tokoa tao? …ny naha-samihafa azy tamin’izay fotoana izay dia tsy nisy ilay fandinihana siantifika nialoha ilay fanapahan-kevitra na ataontsika hoe nanaraka ilay fanapahan-kevitra hoe ahoana no fomba fampiharana azy, satria ny fampiharana azy koa tsy maintsy misy lalan-tsaina siantifikka …tsy maintsy atao tombana aloha ny teo aloha, na inona na inona zava-nisy teo, na nankasitrahanao iny na tsy nankasitrahanao….
OR: ….ianao efa mpampianatra nanomboka tamin’ny taona 1966, tamin’ny taona 1972, efa mpampianatra ianao, ary tao anatin’ny vaomieran’ny fanagasiana izay nokianin’ny rehetra….ataoko angamba fa amin’ny ankapobeny …ny ankamaroan’ny mpianatra sy ny raiamandreny dia nanakiana ny voka-dratsin’ilay fanagasiana nampiharina tamin’ny taona 72 daholo. Inona no tena anton’ilay tsy fahombiazana tamin’izay?
RW: Andraso aloha mba hiadian-kevitra kely ilay hoe tsy fahombiazana, satria rehefa mandrefy aianao izany …tsy hoe ny fahaizany na tsy fahaizany teny vahiny no handrefesana azy fotsiny, n any tsy fahaizany taranja sasantsasany. Fa refesinao koa hatrany amin’ny hoe manao ahoana ny toe-tsain’ny ankizy nivoaka avy tamin’izay rafitra izay. Raha handrefy izao isika an’ilay rafitra niorina tamin’ny teny frantsay,…na ny rafi-pampianarantsika eto aza moa dia rafitra frantsay daholo…mety handrefy ianao hoe mahay teny frantsay ve ilay ankizy…tsy mahay teny frantsay ve? Raha izay fotsiny no handrefesanano azy dia hoy aho hoe tsy ampy kosa ny maridrefy amin’izay fotoana izay. Fa izao, amin’ny saina tsy miangatra ity, mety hanafintohina ny sasany, ny mpitondra tamin’ny Repoblika voalohany, novolavolaina tamin’io, ny mpitondra tamin’ny Repoblika faharoa, novolavolaina tamin’io, ary tena havanana daholo, na izahay izay miteny aza, novolavolaina tamin’io, ny mpitondra na taty amin’ny Repoblika fahatelo aza dia novolavolaina tamin’ilay rafitra niorina tamin’ny teny frantsay. Manao ahoana ny firenena amin’izao fotoana izao? Olona novokarin’io rafitra io no mitondra eo , nitondra teo, dia manao ahoana? Izany koa anie mba tokony hojerena e. …ny Japoney, ny rafitra nanomanana azy dia rafitra niorina tamin’ny kolontsaina japoney, aiza ho aiza ny Japoney amin’izao fotoana izao? Izany koa mba tokony handrefesana azy fa tsy hoe refy maimaika fotsiny entanin’ny fihetseham-po….Izay ilay ataoko hoe tsy maintsy mijery ny zava-misy ara-tantara isika, ny zava-misy eran’izao tontolo izao. Eran’izao tontolo izao raha misy firenena manana ny teniny manokana, tsy misy firenena mihitsy manabe ny zanany amin’ny tenin’ny hafa. Fa vokatr’ilay tantarantsika teto io …Raha resaka firenena, tsy ana sokajin’olona manopkana ny firenena, fa tsy maintsy jerena ny hevitry ny olona, ny fisalasalan’ny olona, ilay ahiahin’ny olona, dia tsy maintsy hazavaina ilay izy izany, mifanakalo hevitra.
OR: Fa ho anao,raha mitodika amin’ilay fanagasiana voalohany nampiharina teto Madagasikara ianao, tsy ekenao ve ilay hoe tonga dia tsy fahombiazana? Inoana ry ny bilana apetrakao tamin’iny fanagasiana iny? Ny fiantraikan’izay teo amin’ny fampianarana teto Madagasikara sy ny fiantraikan’izay tamin’ny mpianatra Malagasy?
RW: …ny fijeriko azy, tahaka ny rafi-pampianarana rehetra teto io, na ny fanagasiana na ny ampiharintsika amin’izao fotoana io, nisy ny tsy fahombiazana, nisy koa ny lafiny nety. Ny nety dia iny rafitra iny , na iny politikam-panabeazana iny dia nahazoan’ny zaza avy amin’ny faritra, ny avy any ambanivohitra avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara tonga tany amin’ny dingan’ny Bakalorea, ary tonga tany amin’ny Oniversite, mifanaraka tsara amin’ilay hoe ‘démocratisation’ ilay izy. Fa ny olana rehefa avy eo dia tsy nisy fitohizany lojika ilay izy dia sahirna ilay ankizy rehefa tonga teny amin’ny lyçée na tonga teny amin’ny Oniversite. Fa ny zava-nisy dia hoe tafakatra teny daholo ny tanora avy amin’ny faritra samihafa teto Madagasikara. Ny lafiny iray mbola tsy voarafintsika dia ny hoe manao ahoana ny toe-tsain’ny zaza n any tanora nivoaka tamin’ireny? Efa tonga eo amin’ny fitondrana ve ireny olona ireny? Ary raha tonga eo amin’ny fitondrana ireny olona ireny, hanao ahoana i Madagasikara? Fa ny mitondra hatramin’izao aloha izany dia mbola ilay nobeazina tamin’ilay rafitra niteny frantsay….Tsy maintsy jerena ihany koa ny maha-izy azy by faritra tsirairay avy. Izany fampiasana ny teny sy ny kolontsaina maha Malagasy izany mba hahatonga antsika hoe miara-mientana, fa mahagaga raha hoe isika indray no tonga hoe ady noho ny tenintsika Mety hihomehezan’ny sasany anie e. Hoe mahagaga ao Madagasikara ao fa ny teniny no omena lanja dia ao indray ry zareo no miady hevitra. Ka eo amin’ny fomba fanantanterahana azy no misy kosa lalana tokony harahana. ..ka rehefa vita ny tombana siantifika dia rasina ny fanapahan-kevitra fa tsy eto isika no handroso, hihemotra.
…Tsy maintsy jerena ny hoe manao ahoana ny olona…ny fitaovana entina manatanteraka an’io? Manao ahoana ny fihetsehan’ny sokajin’olona samihafa manoloana an’io? Ary ahoana no hamahana izay olana mety ho fanoherana mety hitranaga izay?
OR: …amin’ny taom-pianarana 2008-2009 no hampiharana ity fampianarana amin’ny teny Malagasy …eny anivon’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana …Hidirantsika ilay resaka hoe fahaizana teny …io no olana. Amin’ny ankapobeny, ireo miteny hoe avereno ny teny Malagasy dia manakiana ny tsy fahafehezan’ny zaza sy ny tanora Malagays an’ilay teny Malagasy amin’izao fotoana izao… Ianareo , tany amin’ny fotoan’ny fanjanahantany no novolavolaina... fampianarana tamin’ny teny frantsay…nampianarina tamin’ny teny frantsay ianareo, kanefa mpampianatra Malagasy ianao amin’izao fotoana izao. Ataoko angamba hoe tena mahafehy an’izay taranja Malagasy sy teny Malagasy izay…Raha amin’ilay hoe tsy fahafehezantsika ny teny Malagasy sy ny fahaverezan’ny fampiasana ny teny Malagasy no olana, tsy maintsy miverina amin’ilay fampianarana amin’ny teny Malagasy ve? Sa any amin’ilay mpampianatra koa no mety misy olana hoe, ilay mpampianatra mampita an’ilay teny Malagasy any amin’ilay mpianatra mihitsy ka mahatonga an’iolay ankizy rehefa lehibe izy dia tsy mahafehy an’ilay teny Malagasy mihitsy amin’izao fotoana izao fa teny variaminanana no betsaka?
RW: …voalohany indrindra, ny tsapa eo amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana izany dia ny tsy fisian’ny fanapahan-kevitra amin’ny politika momba ny teny. Ny Akademia moa izany amin’izao fotoana izao efa manana volavolan-kevitra momba ny politika momba ny teny. Fa ao amin’ny Lalam-panorenana dia ampiasaina ho teny Ofisialy ny teny Malagasy , ny teny Anglisy sy ny teny Frantsay. Tsy ampy izay , fa tokony ho ahoana indray no hitsinjarana ny fampiasana ireo teny ireo. ..Na any amin’ny sekolim-panjakana aza dia misy fisalasalana hoe inona no teny hampiasaina…izay dia misy fiantraikany eo amin’ny toe-tsain’ny mpianatra. Ny sasany manao amin’ny teny Malagasy, ny sasany manao amin’ny teny frantsay, ny sasany mifangaro…Fisalasalana miteraka tsy fahombiazana eo amin’ny fampianarana. Marihako fa tsy mifanohitra ny fianarana teny vahiny sy ny fampiasa any teny Malagasy ho teny enti-mampianatra. Fa mifameno. Fa na hianatra teny vahiny aza ianao dia tsy maintsy mahafehy tsar any teny Malagasy. Fa noho ilay fisalasalana, dia tsy voafehy intsony n any teny Malagasy na ilay teny vahiny dia misavorovoro ny sain’ny ankizy. .. Tamin’ny taona 1972 ohatra dia hita izany fisalasalana izany, fa na ilay rafitra natao hanmolavola azy aza dia niova anarana matetika. Tany amboalohany BEPOTEP saika hatao direksiona, dia saika hatao servisy dia ny niafarany lasa birao (bureau)…Na tamin’ny andron’ny fanagasiana aza dia nisy izay fisalasalana izay…ny ankizy nisalasala, ny raiamandreny nisalasala, vokany: tsy nahomby ilay izy. …Tokony hisy banky momba ny teny, ary amin’izao fotoana izao dia misy ao amin’ny Akademia sampan manangona ny voambolana Malagasy manerana an’I Madagasikara. Efa boky vita ary efa eo ampanotana azy ny antsoina hoe Rakibolana misy ny fiteny rehetra, voambolana avy amin’ny fiteny rehetra eto Madagasikara. Izay koa izany no mbola tsy mampitovy ny zava-nisy tamin’ny 1972 sy ny zava-misy amin’izao fotoana izao…
Efa maro izany izao ny tahirin-kevitra azo ampiasaina…Tokony koa hisy ny fitohizana (continuité) amian’ny lafiny rehetra mihitsy…Rehefa mipetraka tsar any politikam-panabeazana et ary tohizan’izay mpitondra mifandimby eo, fa tsy hoe rehefa tonga eto aho dia izaho mahay be dia hovako indray io, fa tokony hisy ilay fitohizana. Toy ny an’ny Maorisy anie ka misy fitohizana e! …na iza na iza mitondra eo dia tohizany iny. Fa ny antsika isaky ny miova isika dia miverina amin’ny tsy misy indray.
OR: …Tsy ampy ny voambolana Malagasy fa misy teny siantifika sy teknika ts mbol ahitana dikany amin’ny teny Malagasy mihitsy satria teny vaovao.
RW: …ara-tantara ny teny frantsay dia tsy dia ela loatra anie no nahatonga azy ho teny siantifika e! Ny fianarana rehetra tamin’ny taonjato faha 19 hatraty amin’ny fiandohan’ny taonjato faha 20 tany Frantsa, raha vao teny siantifika dia natao atamin’ny teny Latina. Ny soutenance de these tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha 20 dia mbola natao tamin’ny teny Latina…Nanomboka teo ny Frantsay dia nanapa-kevitra fa ampiasaina amin’izay ny teny frantsay (mbola tsy ampy ny voambolana frantsay tamin’izany fotoana izany) . Fa fanapahan-kevitra io, fitiavan-tanindrazana io, ary narahina asa io, fa tsy misy teny afaka milaza hoe feno anie e! Jereo fa ny dictionnaire frantsay aza anie miova foana e! Larousse 2007, Larousse 2008. sns …dikan’izay dia misy teny nampidirina tao fa tsy ampy ilay teny frantsay. Ny teny velona rehetra dia mivoatra …Hevitro manokana ity, mba hahamora ny fiampitana ny fampianarana amin’ny teny frantsay na teny anglisy ho amin’ny teny Malagasy, raha misy ohatra voambolana iraisam-pirenena, maninona no tsy gasiana fotsiny ny fanononana azy: ohatra : vecteur, natao hoe tsilo, fa raha natao hoe vektora io na vektera, amin’izay na mivadika amin’ny teny hafa aza izy dia tsy ho very…Isika koa tsy dia tokony ho sarotiny loatra amin’izay lafiny izay. Ny teny anglisy rah any filazan-dry zareo mahay azy io dia ny 60% any ho any dia nalaina tamin’ny teny vahiny, fa nofehezin’ilay teny anglisy ilay izy amin’ny fanononana sns …tsy miteny akory aho hoe ndeha isika hanao créolisation. Fa misy izany ilay teny atao hoe iraisam-pirenena ary mety hanampy ny mpianatra iny rehefa miampita amin’ny teny hafa izy. Ary izay no nahavoa tamin’ny taoana 1972: nanao tsilo izy tary CEG tary, nivadika vecteur izy tany amin’ny lyçée, vecteur tary ananona…
OR: ..Raha izay efa niainanareo izay, mety hahasoa ilay mpianatra ve ilay hoe manao teny Malagasy izy any amin’ny Ambaratonga voalohany, tonga ao amin’ny college izy dia mivadika teny frantsay? Inona no mety ho fiantraikan’izay? Mety hahatsara azy ve izay?
RW: …Tamin’ny taona 1972 dia natao tamin’ny teny Malagasy hatreo amin’ny kilasy fahatelo (3ème) , nizara telo nanomboka teo amin’ny kilasy faharoa (seconde), nisy ny nanohy tamin’ny teny Malagasy , nisy ny nanao teny frantsay, nisy ny nanafangaro. Ny laza adina tamin’izany fotoana izany dia natao tamin’ny teny roa Malagasy sy frantsay. ..Taratr’ilay fisalasalana daholo ary nampisavorovoro ny sain’ny mpianatra. Manantena aho fa misy commissions scientifique ao, ary hanaraka lalan-tsaina siantifika ny fampiharana an’io.
OR: …Vao miainga izy ity dia misy gazety aza miteny mihitsy fa misy izany “sekolin’ny mahantra”, sy “sekolin’ny mpanan-karena”…satria ity fanapahan-kevitra ity dia mihatra ho an’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana, izay fantratsika fa raha ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izay raha miresaka ny eto Antananarivo fotsiny iska dia ny ankizy mianatra any amin’ny EPP dia ireo zanaly ny oalaon sahirana fany zanaky ny olona manan-katao dia ampianariny any amin’ny privée daholo. Ny zanaky ny manan-katao izany dia ampianarina amin’ny teny frantsay ihany, fa ny zanaky ny gasy tsy manan-katao, sahirana no ampianarina amin’ny teny Malagasy. Efa fizarazarana indray koa izay.
RW:Mahagaga ahy aloha, raha izaho manokana izany zavatra izany, fa ny zaza Malagasy rehetra amiko, tokony hanaraka lasitra anankiray. Mba tsy hisian’ny karazana Malagasy anankiroa. Na miankina izy na tsy miankina izany an, ny fanabeazaba azy rehefa notapahan’ny fanjakana fa hatao amin’ny teny Malagasy fa raharaham-pirenena io, atao amin’ny teny Malagasy…Hafahafa amiko manokana raha hisy karazana sekoly anankiroa eto Madagasikara, ka ny iray hamoaka olona tahaka izao, ary ny iray hamoaka olona tahaka izao…Mety hieritreritra iskia hoe ireo nampianarina tamin’ny teny frantsay dia mety hahazo tombontsoa, mety hoe ny fahaizana teny frantsay, mety hoe handeha hianatra any an-dafy izy. Nefa ny fakana visa ho an’ny Frantsa aloha izao efa fantatrareo ka aza manonofy antoandro an! Fa tsy dia lasa lavitra ny mankany…Fa ianao hamolavola zaza Malagasy, mety hoe mitavozavoza amin’ny teny frantsay angamba, fa manana toe-tsaina Malagasy, mahay manaja raiamandreny sns…mitandro ny soatoavina Malagasy, raha izaho nny raiamandreny dia aleoko ity
OR: …ny raiamandeny dia mihazakazaka mampiditra ny zanany any amin’ireny hoe école d’expression française. Vao asiana an’izay, dia ao, feno ankizy
RW: Safidy iny ho an’ny raiamandreny. Fa ny zavatra mahavariana amin’izao fotoana izao anie dia na ny Lyçée Français aza ka mampianatra teny Malagasy e! Amin’ireny sekoly sasany, izaho tsy milaza hoe izy rehetra kosa, dia misy tsy mampianatra teny Malagasy mihitsy. Fa rehefa hoe hanala CEPE izay misy teny Malagasy an, izay vao misy mandranto fianarana kely amin’ny teny Malagasy…Tsy mankahala na iza na iza aho, fa mahasoa ny raiamandreny rehetra ihany ny hahaizan’ny zaza Malagasy ny teniny satria iny no ifandraisany eo anivon’ny fianakaviany, ifandraisany eo anivon’ny fiaraha-moniny, dia farany ny zanakao mety hosahirana ihany koa any aoriana any amin’ny lafiny maro…Ilay fampiasana ny teny Malagasy dia tokony jerena koa ilay hoe ahoana no hampiverina tsara ilay hasina maha Malagasy antsika, anatin’izay famerenana ny hasina maha Malagasy izany ny famerenana ny hasin’ny raiamandreny, famerenana ny hasin’ny ankizy, ny hasin’ny tenany, any izany no zava-dehibe amin’ilay resaka fanabeazana. Dia ankizy mahatsapa ny hasin’ny tenany .ary mampitombo ny hasin’ny tenany no antom-pisiany eto amin’izao tontolo izao. Izany zavatra izany ao anatin’ny fahendrena Malagasy…Ilay hoe “fanagasiana” dia azo iadian-kevitra ihany satria gasy ve hogasiana! Fa ataontsika fotsiny hoe hampiasa ilay teny Malagasy isika, hamelona ilay teny Malagasy isika hanabeazana
OR:…Mipetraka ny adihevitra lehibe hoe hatraiza ny lentan’ny zaza Malagasy sy ny mpianatra Malagasy amin’izao fotoana izao? Lesoka be dia be amin’izany ny mpampianatra. Ary ianao dia mpampianatra rahateo…Ny zavatra misy amin’izao fotoana izao, matoa ilay ankizy milatsaka ny niveau-ny , dia eo ihany koa ny niveaun’ilay mpampianatra azy mihitsy…Amin’ireny sekoly tsy miankina ireny…ny olona tsy manana asa dia lasa mpampianatra any amin’ireny sekoly tsy miankina hoe d’expression française ireny, dia karamaina 40.000Ariary (200.000FMG) isam-bolana, izay ambany lavitra noho ny saram-pianarana alohan’ny mpianatra iray ao amin’ilay sekoly….Ny ankizy mivoaka avy amin’ny Ecole Normale tsy misy mandeha mampianatra, ny olona tsy manana asa no lasa manao mpampianatra. Inona no tena olana mahatonga ny tanora tsy mety mandeha any amin’io resaka fampianarana io intsony, ka olona tsy nahazo formationho mpampianatra indray no lasa manatanteraka ilay asa?
RW : Mahafinaritra ahy ilay fanontanianao satria izaho tany amin’ny Ecole Normale taloha. Dia misy tokoa ny tsy fahatsapan’ny tompon’andraikitra indraindray ao ambony ao. Izaho tsy hiteny hoe ny amin’izao fotoana izao na tamin’ny vanim-potoana inona an, ny lanjan’izany hoe fanofanana ho mpampianatra izany. Tsapan’ny tompn’andraikitra ara-panjakana tsar any lanjan’izany hoe fanofanana ho dokotera. Izay hikarakara ny vatan’ny olombelona, amin’ilay lafiny ataontsika hoe itovizany amin’ny zava-manan’aina rehetra, fa ny olona hampianatra anie e ka hikarakara ny olombelona amin’ny maha zava-manan’aina ambony azy e! dia ny lafiny ara-tsaina sy ara-panahy, … matetika izay lanjan’ny fanofanana ho mpampianatra izay no atao antsirambina. Ary raha msiy sekoly azo lazaina hoe mijaly, dia ny sekoly manofana ho mpampianatra. Indraindray foanana, indraindray atsangana, indraindray sarahana, indraindray tsy misy mihitsy. Ny anarana miovaova foana. Ary tsy ilay mpampianatra ofanina ao no raisina fa ilay mpampianatra izay tsy niofana, angamba ireny kelikely karama kokoa, dia ireny no raisina. Nefa ireny tsy niofana ho mpampianatra. ..Ny asa rehetra dia tokony hisy fepetra avokoa hoe tokony hanana fahaizana toy izao ianao…Olona tsy nianatra psychologie, olona tsy nianatra ny fivoaran’ny toe-tsain’olombelona no asaina mampianatra. Tsy niantra ny teknikan’ny fampitana fahalalana nefa raisina hampianatra. Angamba fotoana izao tokony hanomezana lanja ny fanofanana ho mpampianatra. Raha misy an’izay dia arahaba soa, arahaba tsara. Ary amin’ny ambaratonga rehetra io zavatra io an! Ary tokony hahasarotiny ny raiamandreny anie izany e! Hoe inona no mari-pahaizan’ireto olona mampianatra ny zanako ireto, sao dia hampiditra angano anay? Izaho tsy miteny hoe amin’ny sekoly miankina na tsy miankina an! Fa tokony hojerena ilay izy, fa tsy rehefa avy eo misy zavatra mamoa-fady satria olona tsy nampianarina izany hoe morale sy ethique akory no mampianatra azy….
Izao na ny hoe hanao infirmier aza anie tsy azo atao e! raha tsy manana Bacc miampy taona anankitelo vao manao infirmier izany. Izany ary rehefa hikarakara ny vatantsika dia haintsika tsara ny sarotiny Fa raha hikarakara ny toe-tsaina amam-panahintsika izany an, dia tsy tsapantsika hoe zava-dehibe ve izany? Miankina amin’io ny hoavin’ny firenena. Isika milaza foana hoe ananantsika ny harena ankibon’ny tany, ananantsika ny harena hoatr’izao sy izao. Fa maninona isika no mahantra? Ao amin’ny fanabeazana anie ny valiny e!...Misy tsy mety ny toe-tsaintsika vokatr’ilay fanabeazana norantovintsika…tokony samy hieritreritra daholo ny tsirairay fa tsy hoe izaho no manana ny rariny, izaho no toy izao, fa mba samy manakiana tena daholo hoe fa maninona isika no tsy mahomby? Ao amin’io resaka fanabeazana io no misy tsy mahomby ao. Anjaran’ny tsirairay no miezaka hoe ahoana no hanarenana azy…Izaho izao mahita hoe farafaharatsiny, tokony mba maka herintaona hametrahana tsara izay dingana samihafa izay dia mba any amin’ny taom-pianarana 2009-2010 any no atao ilay izy dia mba hisian’ilay ataontsika hoe ahoana no fomba hitantanana ireo hevitra tsy mitovy sy handaminana an’ireo hevitra tsy mitovy samihafa ireo? Handresen-dahatra ny olona sy hifanakalozan-kevitra amin’ny fomba hantanterahana azy. Ny hevitra efa tapaka fa ny fomba hanatanterahana azy mba tsy hahatonga ny raimanadreny hitebiteby sy hanahy. Farafaharatsiny tokony mbola hisy ny herintaona sao dia hanao toy ilay hadisoana efa nisy tamin’ny 1972 indray. Ny anay anie tamin’ny 1972 dia toy ny mampiheritreritra ihany ilay izy hoe nampihazakazahana mba hitrosona. Nasaina nihazakazaka mba hitrosona. Tsy nomena fitaovana. Na ny ara-bola tsy nisy…ny fahefana manatanteraka tsy voafetra…Ny foto-kevitra dia momba tanteraka an’ilay izy aho ,fa ny fanatanterahana no asiako resaka….Jerena ny fiotohizan’ny fiainan’ilay ankizy rehefa avy eo hatrany amin’ny sehatry ny asa….Ahoana izay zavatra rehetra izay? ..Mety efa vitany izany dingana rehetra izany fa izaho no mety tsy mahafantatra
OR: Ny serasera manodidina an’izay no isan’ny lesoka ihany koa. Satria ao anatin’ny serasera izahay mpanao gazety dia mahita hoe raha misy vaovao tadiavina, nefa karazana canal ihany fantsona ahafahana mifampiresaka amin’ny raiamandreny sy ny mpanara-baovao rehetra ny sehatr fanaovan-gazety toy itony, ilay mpanao gazety aza tsy mahazo ilay vaovao sy ny manodidina an’izay fanapahan-kevitra izay. Izay angamba teny atsipy fotsiny satria ilaina ny resaka serasera araka ny nambaranao teo. Fanontaniako farany dia ity : misy ny manao hoe rehefa hanao fanagasiana ihany dia tsi tokony hatao amin’ny teny Malagasy ofisialy fa atao amin’ny tenin’ilay faritra tsirairay mihitsy hahafahan’ny Malagasy rehetra isam-paritra rehetra mahazo azy. Momba an’izay ve ianao?
RW : Raha ny hevitro manokana no angatahanao, dia ny bilojikan’ny toe-tsain’olombelona no arahako…Rehefa tonga any an-tsekoly ny ankizy tokony hoe mitohy ny fiainam-pianakaviany. Izay anie ilay hoe fampiasana ny teny Malagasy e! Any an-tsekoly dia mitohy ilay teny Malagasy nampiasainy tao anivon’ny fianakaviany. Mety ho tamin’ny endrika isam-paritra iny. Ny olona izay mampianatra amin’ny faritra anankiray, tokony hahafehy ny fiteny ampiasaina amin’iny faritra iny. Izay kosa aloha, hevitro manokana koa …tsy tokony hohadinoina fa ny 70%n’ny teny Malagasy dia iombonan’ny fiteny rehetra . Noho izany, tsy dia misy hoe olana be ilay izy fa amin’ny voalohany aloha izany an, raha raisina ao ampianarana ilay ankizy dia tsara kokoa raha mba ilay teny fiteniny isan’andro no andraisanao azy, na avelanao izy hiteny malalaka amin’ilay fiteniny isan’andro, ka rehefa mamaly izy dia raisinao ny valin-teniny, ary valianao. Izay ilaly hoe mba tsy hisian’ny dona ara-tsaina mahazo ilay ankizy dia aloe hizotra ara-boajanahary ny fanabeazana azy ary tsikelikely satria anatin’ny faritra mety tsy mahazatra azy izy, dia ho tafiditra tsikelikely. Ary ilay teny Malagasy ofisialy koa anie tsy hoe teny raikitra indray mandeha fa araka ny fahafantarana azy dia mbola atevenina tsikelikely io amin’ny alalaln’ny voambolan’ny tenim-paritra. Ary ilay Rakibolana ataon’ny Akademia aza anie tsy mamamritra mihitsy hoe ity tenin-paritra e. Fa ataony ao daholo ao daholo ny voambolana mba tsy hisian’ny hoe ity teny izao , na ity tny izao, fa hoe ireto synonymes amin’ny teny Malagasy. Izay ilay izy…Isika manorina firenena izay tsy mivaky, mba hahatoa izay dia nampidirina ao anatin’ilay Rakibolana ny voambolana rehetra mitovitovy hevitra ary niniana tsy nasiana hoe ity teny izao, ity teny izao…voalazan’ny Profesora Irene RABENORO, Solontenan-tsika any amin’ny UNESCO, fa raha tsy mahafehy tsara ilay teniny ilay Malagasy ary mana any hazondamosiny , sarotra aminy ny handray teny hafa sy ny kolontsaina hafa fa ho lasa mpanao pli-vava fotsony izy amin’izay fotoana izay fa tsy voafehiny akory ireny, ary nefa izy, na oviana, na oviana izy tsy hitovy amin’ny tompon’ilay teny.
Ny tontolon’ny asam-panjakana Malagasy
Fony vao niditra niasa kelikely tamin’ny orinasa iasako ankehitriny aho (orinasam-panjakana) dia nahita fomba fiasa sy fanao tsy mety (tsy mifanaraka amin’izay tokony hampandeha tsara ny asa). Zava-poana anefa ilay eritreritro hanatsara zavatra satria sady tsy nety natoro, no tsy nety nanitsy tena ity lehibeko.  Taty aoriana dia zendana aho nahalala fa ity izaho nandalo ny Anjerimanontolo anie ka baikon’ny olona tsy manana afa-tsy CEPE (ilay cadre ambony mibaiko ahy).  Vitany mihitsy aza taty aoriana ny niteny fa tsy ilaina izay fianarana, fa izy jerena, tsy manana afa-tsy CEPE nefa sefo. Koa hahagaga ary ve raha tsy mandeha amin’izay tokony ho izy sy araka izay andrandraina ny asam-panjakana e? Jereo anie ireto tarehi-marika ireto e:
Nivoaka ihany ny marina tamin’ny gazety iray novakiako androany (MADAGASCARA Laza N°1087 – 11 juillet 2008, fa ny 50% amin’ny mpiasam-panjakana dia tsy manana ny maripahaizana (diplome requis) amin’ny toerana omena iandraiketany.
Raha toerana ilana maripahaizana Maitrise no mihoatra, dia 69% amin’ireo mitana izany no ambany lavitra noho izany no dingana vitany teo amin’ny fianarana.
Raha asa ilana maripahaizana BACC dia 33,8% amin’izay mitana izany andraikitra izany no tsy manana ny maripahaizana tokony hitazonana ny toerana
Raha toerana ilana BEPC farafaharatsiny, dia 51% amin’ireo mitana izany toerana izany no tsy manana io maripahaizana io.
Raha toerana ilana CEPE dia 47% amin’ireo olona miandraikitra ny asa ilana izany no tsy manana maripahaizana mihitsy mifandraika amin’io.
Ekena tokoa fa misy ny olona tsy manana ilay maripahaizana, nefa rehefa miezaka sy mamola-tena eo mandritry ny fotoana ela dia tonga mahafehy tsara ny asany, raha ny mifanohitra amin’izany kosa no ankamaroan’ny tranga hita.
Ireo antontan’isa ireo dia nalaina avy amin’izay naroson’ny Fonction Publique (Asam-panjakana)
Andanin’izany anefa dia betsaka ireo olona manana maripahaizana ambony no lasa mitondra Taxi, Taxi-be, na mirotsaka amin’ny sehatra hafa tanteraka, tsy liana afa-tsy ny maripahaizana farany ambany mihitsy noho ny tsy fahitana toerana. Hay va re ka ny toerana tokony ho azy ireny sy tokony hitondrany fampandrosoana ho an’ny firenena ka dia dongian’ny sasany tsy alehany akory. Aza mahavoa ny goavy manta!
Tsy mahagaga araka izany raha mahazo vahana koa ny kolikoly satria , ny tsy mahay tsy maintsy manambitamby ny mahay mba hampandeha ilay asany, sao rakatra eo ny fika rehetra, dia mitohy hatrany toy izay ilay ‘chaine’ mandra-pahavitan’ny zavatra ho tody hatramin’ny farany.
Mba rahoviana re no hahitantsika mpiasam-panjakana mendrika, marina, mahavita azy sy matihanina amin’ny asany eto Madagasikara e? Sady tsy tohatohanana sy apetrapetrak’i dadatoa sy nenitoa etsy sy eroa fotsiny ?
Tsy ho fatatrao mihitsy aloha raha i RAKOTONIRAINY Jen Richard e! Tsy olo-malaza izy fa olona tsotra toa ahy sy ianao ihany, nefa indro atolotro anao eto ny tantaran’ity lehilahy mahantra iray ity, rehefa avy niandrasana fotoana maharitra ihany vao tapaka ny hevitra fa havoaka.
Mpiavy avy any Ambalavao i RAKOTONIRAINY Jean Richard. Hitady ravinahitra no nahatongavany teto Iarivo. Mianadahy izy ireo no zanaky ny raiamandreniny. Nanambady teto ny anabaviny ary efa nodimandry. Ny reniny koa  sisa no velona any amin’ireo nahitany masoandro. Rehefa tonga teto Iarivo ny anao lahy dia nahita  asa tokoa. Ireny manaraka kamiao miaraka amin’ny patirao be ireny.
Nandeha tsara ihany ny fiainana raha mbola ao ny tanjaka sy ny hery, ary indrindra indrindra fa ny fahasalamana. Hitan’ny olona  sy fiantsoantso koa  satria mbola nisy natoraka.
Nandeha anefa ny andro sy ny taona. Feno 40 taona mahery kely i Richard. Tsy manambady, tsy manna-janaka koa. Nitranga ny tsy nampoizina. Narary izy. Ary ny vavoniny no tena voa mafy. Asa na noho ny sakafo tsizarizary, na aretina efa ho avy fotsiny izao. Tany Talatavolonondry tany no nisy ny mpampiasa an’i Richard. Rehefa  nandoa rà i Richard dia naterin’ity mpampiasa azy (avy eny Talatavolonondry) ho eny amin’ny HJRA Ampefiloha.
Na dia nandefasana taratasy aza ny vadin’ny anabaviny, hany havany teto Iarivo, dia nanempoka tsy nipoitra mihitsy, araka ny filazany hatrany.
Ny andro voalohany nanateran’ireto mpampiasa azy teny amin’ny hopitaly ihany koa no nahitan’i Richard farany ireto mpampiasa azy. Taorian’io dia tsy hita nielingelina intsony  ireto farany, na dia ny hanontany ny fahasalamany fotsiny aza.. Lany tokoa va re ny mamy nandrasany tamin’ity olo-mahantra? Asa!
Tao amin’ny chambre N°4, 1ère étage tao amin’ny HJRA no nisy azy. Rehefa hitan’ireo mpiray efitrano taminy fa tsy nisy mpitsidika sy mpamangy mihitsy i Richard, dia izy ireo no namahana azy (mandra-paha…) sy nanampy koa tamin’ny resaka fanafody. Mba olona manana fahafaha-manao ihany mantsy ireto olona (avy any Tsiroanomandidy, araka ny filazan’i Richard azy). Tena antra olona tokoa, hoy ihany izy.
Vita ihany anefa ny fitsaboana ny havan’ireo Samaritana tsara fanahy, ka tsy maintsy handao an’i Richard mahantra sy ny aretiny tsy misy mpijery izy ireo. Namela izay azony navela ho an’ity olo-mahantra ihany anefa ireto fianakaviana talohan’ny tena handehanany. Ary natorony hevitra koa aza i Richard mba hanatona an-dry Masera tao amin’ity hôpitaly ity. Nandeha tany ,hono, izy nefa nilaza tamin'i Richard fa tsy afaka hanampy azy, hono, ireto Masera tao.
Làlana hafa indray no natoron’ny olona azy, dia ny hankanesany eny amin’ireo Frera mpanao asa soa ao Tsiazotafo. Niera tao amin’ny tompon’andraikitry ny hôpitaly ary i Richard mba ho afaka hivoaka hitady izay fanafody ilainy sy ny ho sakafony. Efa am-bolana i Richard no tsy nisolo akanjo. Mazava ho azy fa tsy maintsy hamofona.. Io andro nivoahan’i Richard hitady fanampiana io no nitondra azy teo ambavahadinay sy nahafantarako koa ny tantarany...
...Tonga teny Tsiazotafo tokoa izy iny andro iny, saingy tsy nisy azon’ireo olona tao natao satria,hono, tsy eto an-toerana fa any an-dafin’ny ranomasina ilay Frera direktera. Ora vitsy ihany anefa no nomen’ny hôpitaly an’i Richard hivoahana, fa tsy maintsy miverina miditra eny izy avy eo.
Very hevitra ilay mahantra, ary dia nanomboka nitsiry tao an-tsainy ny tsy hanana henatra intsony handona izay varavarana sendra azy. Rehefa avy nandona tsy nahazo rariny tany an-kafa àry izy, dia tonga teto am-bavahady.
Somary nànana fisainana hafahafa momba ity olona ihany aho tany ampiandohan’ny resakay (efa voa mantsy aho tany aloha), saingy rehefa nihaino lalina teo sy nangatahako ny taratasim-panafody ary ny taratasy momba ny aretiny izy, dia resy lahatra ihany fa olona tsy mamitaka ity manoloana ahy.
Rehefa ela niresahana teo izahay mirahalahy, dia nomenay fanampiana izy avy ary nadikako ny momba azy tao anatin’ilay taratasy teny amin’ny hôpitaly, ny laharan’ny efitrano misy azy, sns….Rehefa malalaka izahay, hoy aho, dia ho avy hijery anao eny amin’ny hôpitaly. Andro vitsy talohan’ny pentekôty tamin’izay (08-05-2008).
Andro maromaro aho no tsy teto an-toerana fa tany Ambohimanambola tany. Alina vao miditra ny trano isan’andro. Tsy afaka akory nanatanteraka ilay teny nomeko an’i Richard.
Hay ka niandry izay mba handalovako tokoa ilay olo-mahantra.
…Tonga teto am-bavahadiko i Richard omaly tamin’ny dimy ora hariva.
Hoy izy:
“Tonga aho, ry izy mivady, hanao veloma anareo sy hisaotra tamin’ny fanampiana efa  nataonareo. Niandry aho fa angamba sahirana ianao, ramose, ka tsy nandalo. Fa noho izaho efa tsy ao amin’ny hôpitaly intsony dia nandalo aty aho hilaza fa nahita kamiao hitondra ahy hody any amin’i Neny any Ambalavao. Tsy miantoka afa-tsy fitaterana anefa ry zareo, tsy ampandoaviny saran-dalana aho, fa ny vatsy eny an-dalana sy ny izay mety ho ilaiko dia tsy maintsy izaho no nasainy mitady. Faly be aho, ry zareo fa hody. Tsy salama aho, nefa raha ho faty ihany dia aleoko ho akaikin’ny fianakaviako. Koa fiangaviana farany ataoko aminareo dia mba vonjeo lamba fitafy raha misy sy akanjo hisoloako fa tena masiso mampandositra olona aho”.
Nomena lobaka, pataloha, akanjo amboniny ary vola izy teto…..Raha nanatrika teo nahita azy sy naheno ny fisaontsaorana saiky tsy nitsahatra ianao dia ho vaky fo. Ny maso nanganohano nafeniko azy no nentiko koa nandositra ny tavany tamin'ny fotoana farany nisarahanay.
Menatra, tena menatra anefa aho satria tsy afaka namangy sy nitsidika azy teny amin’ny toeram-pitsaboana akory, nefa koa tsy afaka nanoatra satria resaka asa no tsy maintsy natrehiko taorian’ny pentekôty.
….Omaly alina tamin’ny valo ora no nainga hanao lava alina hitodi-doha ho an’ny amin’ny reniny any Ambalavao i RAKOTONIAINA Jean Richard.  Faly tokoa ny lehilahy na dia nakentron’ny aretina mafy tokoa aza. Na ny miteny aza nila tsy no vitany intsony. Mikentrona sy manao ezaka mafy rehefa izy te-hiresaka.
…Talohan’ny tena nisarahanay telo mianadahy sy nifanaovana veloma, dia natolotra an’i Richard ny laharan’ny finday mba hiantsoany rehefa tonga soa aman-tsara any Ambalavao ny tenany.
“Rahampisto amin’ny roa eo, ramose, no lazai’ny mpamily fa tokony ho tonga any izahay. Raha vao tonga aho dia hitady telefona hiantso anareo”
Tongava soa  any an-tanindrazanao ianao, Richard.
Miandry izay antsony sisa no ataonay aty Antananarivo.
Tsy natao hamendrofendro anao ity tantara ity, nefa koa mino aho fa mba nitondra fihetseham-po, na dia kely monja ihany aza, tao anatinao. Manentana anao aho, hanao izay azonao atao amin'ny olona mila izany, toy ity tranga iray faharoa omeko anao ity. Ampio i Kamba kely
Natao androany 17 mey 2008 teo amin'ny kianja malazan'ny 13 mai ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny vatofehizoron'ny lapan'ny tananan'Antananarivo vaovao. Tsy nahasakana ny olona ny erikerika vao maraina fa tamin'ny valo ora dia efa feno olona Analakely. Tonga teny kosa ny Ben'ny tanana tamin'ny folo ora katroka. Tonga teny koa ny solontenan'ny vatican (Augistin K.),ny tahirim-bola iraisam-pirenena, ny banky iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena samihafa. Ny solontena vahiny miasa sy monina eto amintsika, masoivoho vahiny toy ny avy any amin'ny vondrona eropeana, Frantsa, senegal, allemagne, ny fiaraha-monim-pirenena, RAJEMISN rakotomaharo filoha lefitry ny Antenimieran-doholona, ny solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo renivohitra, sy filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Mamy Rakotoarivelo.
Banga kosa ny toerana natokana ho an'ny mpikambana ao amin'ny gouvernemanta.
Maro koa ireo mpanao gazety vahiny tonga nanatrika ny fotoana.
Tsy nisy tonga kosa na i Guy Willy Razanamasy,na Marc Ravalomanana,na Patrick Ramiaramanana izay efa samy Ben'ny tanana nitondra ity tanana ity
Ny endrika ivelany dia ezahana tsy dia hiova firy na dia nasiana fanatsarana ihany aza, fa ny ao anatiny kosa dia hiova. (Hitanao ao amin'ny Flickr Avylavitra ireo sombin-tsary teny an-toerana). Nosorohana tamin'ny ampahany lehibe ihany ny zaridaina ary navela amin'ny toerany kosa ny trano fivoahana. Misy fampirantiana ny tantara eo an-toerana ary nolazain'ny tompon'andraikitra fa andro vitsy ihany no mety hipetrahan'izany eo mba ho fisorohana ny hetraketraky ny mpanimba. Ilay sary lehibe miantona ery ambony kosa dia tsy hiala intsony fa ho tazanin'ny mpandalo eo maraina sy hariva
Feno olona nanodidina ny kianja, ary notapahana ireo lalana rehetra miditra eo amin'ny araben'ny fahaleovan-tena mandra-pahatapitry ny lanonana.
Toy izao ny lahatenin'ireo vitsivitsy nandray fitenenana. Marihana fa ny Talen'ny kabinetran'ny Ben'ny tanana no nandray an-tanana ny fandaharam-potoana teny an-kianja, nampian-dRamatoa Maholy
Fidy Ratsimbazafy, filohan'ny Faritra no nisolo tena ny fitondrana: "...Antananarivo no lahimatoan'i Madagasikara, koa tsy maintsy hataontsika rehetra ho vaindohan-draharaha ny fikarakarana sy fanatsarana izany tanana izany. Koa matokia ianareo fa ny fitondram-panjakana dia eo anilanareo mandrakariva ary mpiara-miombon'antoka amin'izany fampandrosoana ny tanana izany. Ny soa fianatra, koa tokony ho fianarana ho an'ny hafa izao ezaky ny tanan'Antananarivo izao ho fanarenana ny vakoka nentin-drazana, sy ny soatoavina Malagasy. Manolotra fisaorana manokana ho an'ireo angady nananana sy vy nahitana ny ho enti-manana izao asa fanarenana izao."
Fihavanana, firaisan-kina ary fitiavana io no teny filamatra entin'ny Ben'ny tanana manorina izao asa izao. Efa azo ampiasaina avy hatrany ny 50 isan-jato amin'ny vola nomen'ireo mpiara-miombon'antoka hoy izy, izay tsy iza fa ny tanana'Antananarivo Renivohitra, ireo mpanampy avy any ivelany ary ny fitondram-panjakana izay nanome vola ihany koa ho fanampiana amin'ny fanatanterahana azy.
Hoy ny Ben'ny tanana fahafito mitondra ny tananan'Antananarivo,
Andriamatoa Andry RAJOELINA: " Miara-manoratra ny tantara isika rehetra ankehitriny, Foto-kevitra telo no entina hanorenana ny vatofehizoron'ny asa izay ho tanterahantsika dia ny "fihavanana, ny firaisankina ary ny fitiavana. Ny fihavanana dia milaza fa iray ihany isika: firaisankina satria hanao soroka miara-milanja ary tongotra miara-mamindra ary Fitiavana satria io no fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra nomena antsika olombelona. Ho porofoina fa isika miaraka dia hery lehibe. Tombony ho antsika izany. Ny lapa tokoa mantsy no maha-tanana, ka tokony homen-danja ny renivohitr'i Madagasikara, ho reharehan'Antananarivo ary ho lova hapetraka ho an'ny taranaka fara mandimby. Koa vonona sy resy lahatra aho ary hampiasa ny fahaizako sy ny heriko manontolo mba hanatsarana sy hampandrosoana ity tananatsika ity ho Antananarivo maoderina. Antananarivo maoderina, tanana mifototra sy mijoro amin'ny fahendrena Malagasy. Miara-miasa ny mponina rehetra mba hivelarany, ary hisokatra amin'ny hafa ihany koa mba hahafahana manatratra ny tanjona.
Fanombohana ihany io hoy ny ben'ny tanana Andry RAJOELINA fa mbola be ny ho avy, izay tsy voatery (tsy tsara) ny holazaina dieny izao.
Nanentana moa ny Ben'ny tanana ny amin'ny tokony hiovan'ny teo-tsaina mba tsy ho faly manimba zavatra lava izao. Ka ho lany andro amin'ny fanarenana foana.
Hoy kosa ny Rev. Pasteur Andriamanjato Richard (ben'ny tanana taloha) :
...nisy trano lehibe teto ivoho teto dia taty amin'ny lafiny avaratra nisy ny birao nantsoina hoe ny prezidan'ny antenimieran'ny tananan'Antananarivo dia ny tenanay izany, taty tamin'ny lafiny atsimo nisy ny biraon'ny antsoina hoe delege general du gouvernement izay napetraka hitantana ny fanatanterahana ny asa tato amin'ny tananan'Antananarivo araka ny rafitra izay natao tamin'ny repoblika voalohany. Tsy hitanisa ireo samihafa nitranga aho, fa ny tian-ko tsiahivina fotsiny etoana eto anoloanareo besinimaro mponina eto amin'ity faritra ity, eto Antananarivo, sy isika rehetra izay miandraikitra ny fandehan'ny tantaran'ny firenena, na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona toerana izay sahanintsika indrindra indrindra fa eo amin'ny fiandraiketana ny firenena izany, ho antsika rehetra dia hoe, izay tiako hampahatsiahivina fotsiny dia ny hoe, izany lapan'ny tananan'Antananarivo izany dia vavolombelon'ny dingana maro samihafa natao amin'ity tanana ity...may tao ny boky volamena izay isan'ny rakitry ny tantara sarobidin'ny tanana sy ny firenena satria tao no fametrahan'ireo olo-malaza ny soniany rehefa nandalo teto Madagasikara izy ireny. Isan'izany ny Jeneraly DE Gaules izay indroa nanoratra tao.
Hoy indray RASAMISON Odette L (mpiatantsoratra farany talohan'ny fahamaizan'ny lapa taloha) :
" mpitantsoratra tranainy tao amin'ny lapan'ny tanana tamin'izany fotoana izany, teo am-perinasa no naheno ny tabataba sy ny horakoraka taty ivelany. Niaraka tamin'ireo mpisora-panambadiana maromaro tamin'izany fotoana izany. Taitra aho tamin'izany ary nitsidika teo am-baravarankely. Nahita tsara tamin'izany fotoana izany ny ra latsaka, ny tapa-tongotra, ny maty. Nitsipatsipaka toy ny valala ireo taranaka nentina nangataka ny zony..izany no valin'ny fangatahany. Kanefa tamin'izany tsy nisy mbola afaka nanome izany valinteny izany fa dia mbola niahotrahotra teo daholo ry zareo. Nandritr'izay fotoana izay anefa an! nihorakoraka ny ankizy. ny FRS kosa tamin'izany teny an-davarangana miaraka amin'ny lacrymogenes, basy....Ireo taranaka dia tsy nisy afa-tsy tanam-polo teny an-tanany"
Rehefa vita ny fisaorana sy fandraisan-tanana ireo vahiny manan-kaja sy solotenan'ireo masoivoho vahiny dia nidina nandray tanana ireo vahoaka marobe nanamorona sy nanodidina ny sehatra ny Ben'ny tanana Andry RAJOELINA.
Isan'ny nasaina sy nanome voninahitra ity fotoana ity ny zanak'Itompokolahy RAKOTONIRINA Stanislas, Ben'ny tanana voalohany indrindra teto Antananarivo, dia Andriamatoa RAKOTONIRINA Adrien izany.
Tsara ny manamarika fa rahampitso 18 mey 2008 dia hanomboka avy hatrany ny fanarenana ity lapan'ny tananan'Antananarivo ity. Haharitra roa taona ny asa fanamboarana ka mpanao tao-trano avy any ivelany (izany PARDON izany no hiandraikitra azy) miaraka amin'i Mamy RAJAOBELINA. Mitentina 12 milliars de FMG ny vola novinavinaina ho lany amin'izany
Vakio ato na ato ny tononkalo nentin'i RADO nanamarika iny fotoana iny
Izaho izay miantso dia manan-janaka roa manovo fahalalana ao amin'ny CEG Antanimena.
Tamin'ny 30 avril dia nalefa hiala sasatra ireo mpianatra ary hiditra amin'ny 13 mai
Misy anefa ny kilasy hanao adina ara-panatanjahantena BEPC amin'ny talata 13 mai Isan'izany ny zanako.
Talohan'ny nivoahan'ireo mpianatra ireo hiala sasatra anefa dia tsy nisy fanamarihana na dia kely aza nataon'ny tompon'andraikitry ny sekoly momba ny resaka fiantsoana hanao adina ara-panatanjahantena ho an'ny kilasy hiatrika izany
Noho izany dia tsy naheno hoe tokony haka fiantsoana any an-tsekoly ary hamonjy eny Mahamasina amin'ny 7h30 maraina ny maro raha tsy ny namany mpanao cours FRAM ao amin'ny CEG no niantso tél azy.
Ny zanako aloha dia tsy isan'ireo manao ilay cours FRAM.  Ary mazava ho azy fa tsy nahalala velively raha ny sekoly no nantenaina.
Niantso raiamandreny hafa aho nanontany ary dia tahaka izay koa no fomba nahalalan-janany fa tokony haka ny fiantsoana hanao adina ara-panatanjahantena any an-tsekoly ny tenany. Marihako eto fa raiamandrenina mpianatra amina kilasy hafa mihitsy no nifampiresahako fa tsy hoe ankizy iray kilasy amin'ny zanako akory
Ireo ankizy avy eo no nifampiantso sy nifampizara vaovao amin'ny telefona
Tao aza ireo nandehanan'ireo namany tsara sitrapo tany an-tokantranon-draiamandreniny mihitsy mba hilazany hoe alaivo ny convocation'ialahy na ny an-dry fa ny anay efa azo fa amin'ny talata anie ny Gymn e!
tsy ny rehetra tokoa mantsy no hanana telefona any antokantrano, na finday.  Ary tsy ny ankizy rehetra koa no hanana namana manao cours FRAM mba hampita vaovao aminy.
Isaorana eto ny fandraisana andraikitra sahady nataon'ireny mpianatra mitsinjo ny sasany ireny Fa mba aiza ho aiza amin'izany ny fahatsiarovan-tena sy fandraisana andraikitry ny sekoly, raha sanatria ka tsy mahatratra ara-potoana ny adina ny mpianatra noho ny nataon'izy ireo?
Tsy fantatro aloha hatreto hoe avy aiza no nisy ny tsy fahaizana nandray ny andraikitra ara-potoana  tany amin'ny fari-piadidiam-pampianarana ve sa tao amin'ny CEG Antanimena mihitsy  izahay moa izany dia efa matetika mihitsy no mitondra fanamarihana ao an-tsekoly  momba ny fikorontanana eo amin'ny lafiny fandaminana toy izao e! Nandritry ny 4 ans. Betsaka noho izany ny ankizy no mety tsy hahafantatra akory hoe tokony haka fiantsoana. Ary ny tena loza dia raha nisy lasa niala kely ny renivohitra ireny ankizy ireny ary tsy mihevitra ny hiverina raha tsy vita ny alatsinainin'ny Pentekoty
Miantso anareo mpianatra aho noho izany mba hifampilaza fa sao voa mafy ny namantsika
ITY HAFATRA ITY DIA DIKA MITOVY NY HAFATRA NIFAMPIRESAHAKO TAMIN'NY RADIO DON BOSCO TAMIN'NY 08-mai-2008 (antso an-tarobia tamin'ny 6 ora maraina).
Nilaza ny hanao recoupement moa ilay nandray ny antso fa mbola manomana vaovao, hono, ary avy eo dia hiantso ahy amin'ny valo ora.  TSY NIANTSO ANEFA IZY HATRAMIN'IZAO. TSY HAIKO IZAY ANTONY.
KOA HO ANAO MAMAKY AZY, AMPITAMPITAO LAVITRA AZAFADY MBA TSY HAHAFATY NY HAVANA SY NAMANTSIKA
Natao maimaika loatra ny fametrahana ny rafitra fitsinjarana fahefana teto Madagasikara.
Mbola be no tsy mahalala ny fivadihan'ny faritany teo aloha ho fari-piadidiana. Izany hoe foana araka ny lalam-panorenana ny fisiany.
Ny teo aloha aza mbola tsy voafehin'ny sarambabem-bahoaka tsara dia efa ampidirina ny manaraka, ary dia toy izany hatrany. Tsy mba toy izay hita tany Eropa fony ry zareo hametraka ny fari-bola Euro, na ny momba ny espace Shengen. Efa nanomanana ela ny sain'ny olona ny amin'izany.
Ny eto Madagasikara indray kosa dia miova arakaraky ny mpitondra ny tany sy ny fanjakana ny rivotra iainana sy ny lokon'ny lanitra lolohavin'ny ambanilanitra.
Nolalovana teto ny resaka faritany, nodimbiasan'ny faritany mizakatena, niverenan'ny hoe faritany , ary ankehitriny dia ny hoe faritra indray no malaza.
Very andro mitady ny very foana ny Malagasy. Tsy hainy intsony ny hoe iza,inona, nahoana, sy ny sisa. Tsy mbola hita sy hay izay rafitra tena mahametimety ny mpitondra tsirairay mahazo toerana eo, isak'izay misy fiovan'ny mpitondra fanjakana.
Tafiditra amin'io resaka io koa ry zareo mpampianatra, satria mbola maro no sahirana mamantatra ny hoe taranja hatraiza ary inona marina no tena atao ao anatin'ilay LMD? Inona no atao ao amin'ny Licence? Inona indray ao amin'ny Doctorat? Toy izay koa ny ao amin'ny Maîtrise. Koa raha izy mpampianatra aza fanina, dia mba ahoana ny mpianatra sy ny raiamandreny?
Tsy milaza akory ny mpanoratra eto  hoe ratsy ny LMD an! Fa ny fahitana fotsiny hoe toa rehefa maheno ny rehetra miresaka eny rehetra eny ianao, dia zavatra tsy mbola vonona sy tsy voalanjalanja tsara ity tian-ko masaka sahady toy ny voalobo-jaza ity. Anisan'ny antony aroson'ireo mpampianatra moa ny tsy mbola fifanindran-dalan'ity rafitra Malagasy ity amin'ny fandaharam-pampianarana any ivelany any, ka ho lasa olana goavana ho an'ireo mpianatra Malagasy mandeha miondrana any ivelany aoriana kely ao.
Izao indray koa moa dia nanamafy ny Minisitra vaovao (RALAMBOMANANA Stangeline) voatendry hitondra ny resaka fampianarana fa tsy maintsy hapetraka ato ho ato ny fanalavana ny ambaratonga voalohany (Garabola) ho fito taona.
Dia ho sanatria ho 'taranaka atao sorona' (Géneration sacrifiée) indray ve ireo ankizy sy tanora manomboka hatreto? Ka ho lasa irony olona tsy hahay hamakafaka fa tonga dia hihianana am-bolony irony.
Raha mandinika tsara isika dia hahatsiaro fa ny sekoly Katolika dia "tsy nety loatra" nanaraka ambokony ireny fepetra sadasada naroso teo amin'ny sehatry ny fampianarana ireny, hany ka tsy mahagaga raha maro ny mpianatra avy amin'ireo sekoly tantanany no lasalasa daholo eo amin'ny sehatry ny fahalalana sy ny fandraharahana na fitantanana.
Tsy hoe manohitra ny rafitra akory ry zareo katolika raha manao izany fa kosa mahita hoe misy lalana tsaratsara kokoa hitany hampandroso ny mpianany ary dia raisiny amim-pahasahiana, rehefa hitany fa tsy dia manohintohina loatra ny an-drafanjakana. Ohatra fotsiny izao ity iray ity; manan-janaka mianatra izahay iray tokontany ato an-tanana, ny sasany mianatra amin'ny fanjakana, ny hafa indray mianatra amin'ny sekoly katolika. Betsaka kokoa ny fotoana ianaran'ny mpianatra katolika noho ny an'ny fanjakana. Izany hoe ireny andro tsy fianarana ireny dia lava loatra ho an'ny mpianatry ny fanjakana (toy ny araraotina mihitsy mba ho lava!), nefa kosa iny no araraotin'ny toeram-pampianarana kosa hanovozana fahaizana araka izay tratra. Tsy maty antoka kosa aloha ny raiamandreny mandoa vola amin'izay lafiny izay e. Na ny fanarahana ftsipika aza dia efa isehoan'ny tsy fitoviana eo amin'ireo lafiny roa lazaiko ireo.
Tantara lava raha ho itarina fa izay ny amin'iny. Mbola ho avy eto ny FOMBA FIJERY_2.
Tonga ny 1 Mey 2008, ary nifanandrify ihany koa tamin'ny Andro fiakarana, izay fety kristiana. Toerana efatra samy hafa no nifanomezan"ireo sendikan'ny mpiasa ho ambohimpihaonany tamin'ireo mpiara-dia taminy. Teo ny nanao izany tany Andavamanba, ny hafa teny amin'ny kianja mitafo Ankorondrano rehefa avy niala teny Antanimena, ny sasany indray niala avy any Ampefiloha, nanoloana ny Tranombokim-pirenena mba hihazo ny Tranompokonolona Isotry.
Rehefa avy nitsirika ny teny Antanimena, izay tokony hiainga tamin'ny sivy maraina aho (nefa tsy nahita olona teny), dia lasa namonjy an'ireo tarika hiainga avy any Ampefiloha.
Mbola nahatratra ny fiomankomanana isan-karazany teny aho araka izay hitanareo amin'ny sary etsy ambony.
Niala teo ity andiany ity, izay nahitana Sendika maro (manodidina ny folo teo) ary nizotra nahazo an'iny manoloana ny CNaPS iny.
Avy eo niditra aty Ambalavao Isotry namakivaky ny tsena ary dia tonga teo amin'ny Tranompokonolona Isotry tamin'ny Folo teo ho eo.
Tsy azo lazaina ho maro, nefa koa tsy vitsy velively ireo olona tonga nanohina ny antson'ireo sendika tamin'ity.
Isan'ny antony naroson'ny sendika ho tsy nahataonana olona maro noho ireo ny tsy namoahan'ny prefet de police ny fanomezan-dalana raha tsy tamin'ny fotoana efa tena farany tokoa. Tsy afaka nanao fanentanana mifandraika amin'izay tokony ho tena izy intsony araka izany izy ireo. Teo koa moa (mbola ry zareo sendika ihany no milaza eto) ny fomba ankolaka nataon'ireo mpampiasa sasany nitondra ny mpiasa ao aminy hanao fitsangatsanganana, dia tsy ho afaka handre izay fanentanana sy tsikera ataon'ny vondrona sendikaly.
Noraisin'izy ireo ho samy niezaka nanao sakana araka izany , na ny fanjakana (tamin'ny alalan'ny prefet de police), na ny mpampiasa.
Maro tokoa raha ny sora-baventy nolanjaina hita teny an-toerana. Misy ireo solontena avy amin'ny FATEXMA, Chocolaterie ROBERT, COTE SUD, SICEH Hotel de France, FLOREAL, NIKENI, SIPED, GROUPE SIPROMAD sns..
Ny tantaran'ity tolon'ny mpiasa ity moa dia niandoha tany amin'ny taona 1884 tany, ho fitakiana ny ora 8 ho fetra'ny fiasana (tany Chicago Amerika). Telo andro (1- 2 -3 Mey) no nifandrohizana tamin'izany ary nisy mihitsy ny maty.
1889 dia nangatahan'ny Kongresy Iraisam-pirenena ny mba hahazoan'ny mpiasa rehetra mankalaza io vaninandro io ho toy ny andron'izy ireo manokana sy ho fahatsiarovana ny volana Mey 1884.
Raha ny filazan'ireo mpitarika ny diabe natao androany dia tsy tokony ho zo angatahina ny zo haneho ny tontolon'ny asa rehefa 1 Mey toy izao fa zo efa azo ary tokony ho eken'ny maro ny fisiany.
Mikasika ny fitsitokotokoan'ny fankalazan'ireo sendika ity andro ity indray dia toy izao no valiny azo avy amin'ingahy RANDRIANASOLO José SG Sendika FISEMA :
'Toy ny fety kristiana ihany io, ny andro iray fa ny fomba entin'ny fiangonana tsirairay mankalaza ilay fety no samihafa. Dia toy izay koa no mitranga androany fa tsy hoe samy mandeha samy mitady akory ny sendika tsirairay'.
Ny foto-kevitra nentin'ireto vondrona sendikaly ireo hankalazana ny andron'ny asa androany moa dia ny hoe 'Asa mendrika, fiainana mendrika'. Satria, hoy ihany ireo mpitarika (Dokotera Jeanne RAZANARIMANA):
raha ny mpiasa no osa, tsy misy firenena mandroso. Ary tokony hampihatra izay voalazan'ny lalana fa tsy tokony hisy fitakiana lava izao.
RANDRIANASOLO José no manohy toy izao:
'...manomboka misy fihemorana ny fampiasana vehivavy amin'ny alina, na dia mbola misy ihany aza ny minia mikimpy. Izany dia noho ny ezaky ny sendika sy ireo solontenan'ny mpiasa...Tsy nisy fifampierana tamin'ny resaka lalana fampiasana vehivavy amin'ny alina... Ankehitriny dia misy fifanarahana iombonana 2 ezahana ho apetraka ...fifampidinihan'ny telo tonta no tokony hitondrana ny resaka (tripartisme), araka izay voalazan'ny OIT (Madagasikara dia mpikambana ao)...'
Nomarihan'ireto mpitarika sendikaly ireto tao koa ny fisian'izany orinasa KARINA (ialana tsiny raha diso ny fanoratana azy, fa omena anao araka izay nahenoana azy fotsiny ilay anarana) izay mbola mampiasa ny mpiasa ao aminy amin'ity andron'ny 1 Mey ity, sy ireo magazay eny Behoririka, Mahavoky, Mascar izay Sinoa no betsaka amin'ireo mpampiasa.. Ny andro toy izao hoy izy ireo dia andro fandravonana ny tolon'ny mpiasa fa tsy tokony ho andro fitakiana lava araka izay andrasana sy andraisan'ny maro azy (indrindra fany mpampiasa sy ny fanjakana).
Isan'ny antso natao nandritra ity anio ity ny hoe:
1 * ho an'ny mpiasa==> hamafiso ny sendika, aza matahotra miditra ao anatin'io sehatra io fa ho fiarovana ano sy ny zonao izany.
2 * ho an'ny fanjakana ==> Mifantoha amin'ny tombontsoa iombonana fa aza mitongilana fotsiny amin'ny mpanambola, ka hanao ny mpiasa Malagasy ho toy ny entam-barotra
3 * ho an'ny mpampiasa ==> asio fitsiopi-dalao mazava ny tontolon'ny asa (ohatra ireny fandroahana faobe ireny). Ny securité de l'emploi no tadiavina fa tsy ny emploi. Fa raha ny efa manana no ho very asa, ho aiza isika mianakavy?
Nolazain'ireto mpitarika ihany koa fa mivoaka any amin'ny tranonkalan'ny OIT ny fanakianana maro momba ny tsy fetezana sy ny tsy fandehanan'ny tontolon'ny asa eto Madagasikara, fa tsy araka izay ambaran'ny mpitondra ombieny ombieny. Hita any ihany koa hoy zareo ny fanakianan'ny OUA. (mbola mba hijery aho rehefa malalaka!!!!)
Nosafoina tao ihany koa ny resaka olana ara-tsakafo miseho maneran-tany.
Notakiana koa ny hanaovana amin'ny teny Malagasy ireo zo fototra (Droits fondamentaux) sy ny fanambaran'ny OIT tamin'ny 1998 momba ny fampiharana ireo zo fototra ireo, mba ho azon'ny mpiasa Malagasy rehetra tsara ny dikany sy ny zo tokony ho zakainy.
Ny zavatra hita aloha hatreto, hoy ireo mpitarika, dia:
rehefa mahasoasoa ny fanjakana sy ny mpanambola mpampiasa ny resaka dia ENY no valiny, fa raha manome soa ny mpiasa kosa dia na arirarira, na TSIA no setriny.
******   Tsy mety mipoitra ny sary natsofoko teto fa dia any amin'ny Flicks no ahitana azy e!  ******
Lahatsoratra avy any Egypta no nanaitra ny aingam-panahy hitosaka eto androany. Nanampy trotraka koa moa ny fandrenesana isan'andro isan'andro ao amin'ny RNM (Radiom-pirenena Malagasy) ny antso fiaraha-mitady olona tsy hita hoe lasa aiza na lasa aiza.
Ekena aloha  fa misy ireo maty an-dalana noho ny hanoanana, noho ny aretina, noho ny lozam-pifamoivoizana nefa tsy nahitàna taratasy milazalaza ny momba azy teny amin'ilay olona. Nefa koa betsaka ny fakàna an-keriny sy ny famonoana any anelanelany any. Misy amin'izy ireny no ariana any anaty rano ka amatorana vatobe mba tsy hpoitra (nefa mbola naloan'ny rano ihany toy ilay Karana lahy teny Andranobevava), misy ny alevina an-tsokosoko any (toy ilay teny Ambohimanambola, momba ireo mpifankatia nanao anton'asa ny fanentanana lanonana, nonina teny Tanjombato, ary novonoin"'ny namany ihany), ary misy koa moa ny tranga izay tsy haintsika hazavaina mihitsy.
Angamba efa tokony ho lavitra be ny fahatsiarovana izany andron'ny Gestapo sy ny fanjavonana noho ny antony pôlitika, na ny tsy fifanarahan-tsaina izany e! Ny hevitra ampiadiana dia atao toy ny 'katsaka anaty lapoaly, ka izay tsy mahatanty mipitsika'. Sa ahoana hoy ianareo? Mitory fahambanian-tsaina mantsy izany amiko, ary midika tsy fahazakàna fahalalaham-pitenenana ihany koa.
Enga anie mba tsy hisy eto Madagasikara izay miseho any Egypta any. Hiaraka hivavaka isika hoe:
'Zanahary ô tahio ny tanindrazanay, ....handry fahizay.....ireo mpitondra anay tariho lalandava koa, ho feno fahendrena, kinga sy mahay....'. Amen
be ny zavatra miova amin'izao fotoana.
Toetr'andro
Nilaza ny sampana mpandinika ny toetr'andro eto Madagasikara tamin'ny tatitra farany navoakany fa miovaova ny toetr'andro eto, fa tsy toy ny taloha intsony. Mihafoy ny fhavaratra ary mihamafy ny rivo-doza. Rehefa ho avy koa anefa ny orana dia hivatravatra fiavy. Izany rehetra izany dia tsy inona fa noho ny ataon'ny olombelona ihany. Tavy, doro tanety, fanimbàna tsy amim-piheverana ny àla, nefa ny fanoloana izay nongotana sy nadaboka tsy maharaka akory, mba tsy hitenenako hoe zàra raha misy. Tsy mahagaga araka izany raha ny toerana tsy noeritreretina hisy havandra no nahitana havandra (toy ny tany Andohan'Ilakaka), ary koa raha lehibe tsy araka izay fantatra ny haben'ireny havandra ireny (300 ka hatramin'ny 500gr ny vongany iray, ary tany Vohipeno aza dia 50 kg be izao ny iray). Be ny voly nadrasana ho masaka tsara no nampanenina ireo tompony, fa tao anatin'ny indray mipi-maso dia nafoy ho toy ny tsy nisy. Nahatratra hatrany amin'ny 20 cm ny haavon'ny havandra tamin'ny faritra maro nilatsahany. Ngoly ny vodi-mangahazo sy ny ovy ka dia be no simba, ny ravina fihinana moa dia tsy lazaina intsony.
Isan'ny antony koa ny tsy fiheverana efa fanaon'ny sasany toy ity nitranga tao Antanimena amin'ny andro antoandro be nanahary ity: nandoro ireo entany vita amin'ny plastika  tsy nalain'ny tompony sy tsy nisy nividy ny tao amin'ny douane. Amin'ny andro mazava be izao, nefa feno olona mivezivezy sy mivarotra eo amin'ny manodidina eo. Tazana hatrany amin'ny kilometatra maro ny setroka mainty be niakatra avy tao. Ary efa niantsoan'ny olona mpamono afo avy ao Tsaralalana mihitsy aza fa noheverina ho trano may. Kay olona tsy ampy fiheverana no fototry ny olana. Mbola ialako tsiny foana ny teny mahitsihitsy fanaoko e!
Toe-tsaina
Miovaova koa ny toe-tsaina fa raha ny Malagasy mpandàla aina sy tia anaka taloha no sainina, dia tsy izay no hita sy atrehina ankehitriny. Be ny fatin-jzazakely ariana etsy sy eroa, vokatry ny fanalàn-jaza. Voalaza mihitsy aza tamin'ny tatitra avy amin'ny FNUAP tamin'ny herinadnro fa i Madagasikara no voalohany indrindra manana tanora kely taona indrindra sy betsaka indrindra aty Afrika amin'ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra. Tsy ireharehana izany sanatria fa tena zavatra mahamenatra. Ny raiamandreny ve no efa tsy mahatontosa an-tsakany sy andavany intsony ny adidy , sa ny taranaka no diso manara-drenirano amin'ny resaka fanontoloana? Asa lahy! Ho aiza isika ity e? Gaga ianao mandeha eny an-dalana eny fa tsy lahy tsy vavy, ireny ny mpianatra Malagasy fa mba mipololotra amin'ny resaka sigara koa. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: fa angaha moa izy ireny efa mikarama sa vola avy aiza no nividianana azy? Ary raha tsy mikarama sy tsy novidiana indray dia iza no nanome? Betsaka koa ny tovovavy ankehitriny no misy miantso amin'ny finday, dia any dia lasa izao.. Hainao angamba ny tiako hambara. Sao avy any àry ny vola e? Tsy haiko fa dia miovaova tokoa ny toe-tsaina fa izaho angamba no efa Ntaolo be tsy maharaka ilay toetr'andro miovaova ery ambony.
Mbola io resaka teo-tsaina io ihany dia izao no hitako; rehefa nisolo mpitantana ny tanàna iray, dia rava izay nataon'ny teo aloha. Ohatra amin'izany ny hatsaran-tarehin'Analakely teo aloha teo. Lasa nofinofy sisa. Ka iza ary no nanimba e? Ny niditra ve sa ny nivoaka? Na iza anefa na iza, dia izao fotsiny ihany; raha samy hiovaova teo-tsaina toy izany ihany, dia aleo zalahy mba miova ho tsara fa tena mamohehatra ilay itondran"ny sasany ny hoe fiovaovana a! Ho ahy, ho anao, ho antsika rehetra foana anie izay zavatra mipetraka sy vita eo e! Ary volanao no niasa teo nanamboarana azy ireny, sao odianao tsy fantatra ary izany! Io hetra hetra mampimenomenona ny maro io anie no mihodina any e! Koa tsy mandrora mitsilany ihany ve ireo miovaova toe-tsaina mankany amin'ny ratsy toy izany e!
Fanapahan-kevitra
Inoako fa hisy hahatsiaro ny lahatsoratro momba ny foza orana ny maro aminareo. Tamin'izany fotoana dia nentiko teto ny fomba fijerin'ny tantsaha eny Betsimitatatra momba azy io. Sy ny hoe "azo hanina....tsy azo hanina....sns...' Nisy mihitsy aza hoy ireo tantsaha ny fanenjehana anay raha maka ireny izahay. Ankehitriny anefa dia nivoaka tamin'ny Fampitam-peom-pirenena (RNM) fa azo atao dia azo atao ny mihinana azy io ary tsy misy atahorana. Haingam-pitombo be io foza orana io, nefa nosakanana ny fampiasana azy sy ny fakàna azy. 300 ka hatramin'ny 1200 atody isan-taona no avoakan'ny iray aminy. Isan'ny ady amin'ny fampihenana azy anefa ny fakàna azy any anaty rano, nefa dia efa firy volana aty aoriana vao avela indray halain'ny olona ilay izy.
Tena miovaova marina izao rehetra izao, efa tokony ho ririnina ny vaninandro eto Madagasikara amin'izao fotoana, nefa dia aleo lazaina fa tena mandoro ny hafanana. Lazain'ireo mpandinika azy io aza fa amin'ny taona 2050 dia hiampy 2.6°C ny hafanana ho an'i Madagasikara manokana.
Am-bava homana, am-po mierotra, ary tady atsipy an-tandrok'omby izy ity ry zalahy, teny alefa ho am-pon'ny mahalala. Diniho ihany izay aleha sy atao.
Dradraina be amin'izao fotoana ny resaka fampiasana fimailo. Borosiana mafy loatra aza ary ahiao hampibirioka ny tanora Malagasy indray. Omena vahana sy tena asiana lanja betsaka eny anivon'ny haino aman-jery maro samihafa. Tsy maninona izany, nefa kosa raha izay fandaharana henoko tamina fampielezam-peo iray teto Antananarivo izay an! Tena nakasitraka tanteraka aho. Avy amin'io no nakako iry lohateny ery ambony hoe 5925/5-9-25
Nifototra tamin'ny fanabeazana momba ny resaka fahasalamana ara-pananahana (santé de la reproduction) ny ankabeazan'ny resak'ilay mpandray anjara. Fa izay tena tiako hotsindriana manokana eto dia io resaka 5925/5-9-25 io.
Entaniko manokana ary ianareo ankizilahy sy ankizivavy, saino tsara izay ho vinakinao aoriana kely eo fa hahasoa sy hiantoka ny hoavinao manontolo mihitsy.
Be loatra ny resaka fanalan-jaza, fanariana zanaka, sns manodidina an'izay resaka izay. Eny fa hatramin'ny fivarotan-janaka tsotra izao aza. Vao tamin'ny Alatsinainy 08 avril 2008 teo izao no nahitanay fatin-jaza natao tao anaty fonosana lamba tsy lena (sachet plastique) nevalan'olon-tsy vanona teo amin'ny mandidina ny tanananay. Dia ontsa ianao mieritreritra hoe: maninona raha nateraka ilay zaza dia tsy nozanahana fa naterina teny amin'ny mpitaiza zaza tsy misy mpiahy, na nitadiavana olona manaiky hitaiza azy, na koa navela tany amin'ny hopitaly hiandry izay olona tsy niteraka ka vonona ny hanagana azy. Fa dia naleon'ilay kibo nitondra azy nijery ilya silaky ny ainy ho faty sy ho toy ny fatin'alika nariana teny an'elakela-tranon'olona. Azafady raha masiaka be ny teniko fa toa tsy mafy amin'ny vehivavy sasany angamba ilay mitondra vohoka sy miteraka.
Rehefa nantsoinay ny fokontany sy ny BMH ary ny mpitandro filaminana mba hizaha ny zava-misy, dia nilaza ilay mpitsabo fa efa tany amin'ny sabotsy io mety napetraka teo fa tsy voamarikay nanodidina raha tsy efa namofona. Somary kihon-tamboho izay moa no nametrahany azy ary ny jirom-pokonolona rahateo tsy mirehitra raha tsy efa amin'ny valo sy sasany alina ety aminay Ambatomitsangana Andravoahangy (asa izay eritreritry ny tompon'andraikitra amin'izany). Hany ka manjaka na vaky trano na izao raharaha ratsy rehetra izao.
Ity ary ny fanazavana ilay 5925/5-9-25:  SAINO TSARA NY ATAONAO, SAO NY FAHAFINARETANAO 5 MINITRA  NO HITONDRANAO VOHOKA MANDRITRY NY 9 VOLANA,  IZAY TSY TOKONY HO NATAO AKORY ALOHAN'NY FAHA 25 TAONANAO.  Toy izay no azo amehezana ilay fanazavana nataon'ilay vahiny nasain'ilay onjam-peo. Resaka fahasalamana tanteraka moa no nanazavany azy io tao.
Koa ho anao tanora lahy sy vavy io, ANAO SY SAFIDY, fa IZAHO TSY MANDIDY,
Toy izao no fandehany: Tokony hisy match nifandonan'ny AJESAIA sy ny MOZAMBICAIN teo Mahamasina androany. Nampidirina foana ny olona tao ami'ny stade. Ny adversaire efa tonga teto Tana ary Tany akaikin'ny Sabotsy Namehana tany no nanao fanazaran-tena. Ny billet anefa raisina sy rovitina ao ampidirana ny stade. Raha tamin'ny 15h ny baolina no tokony hanomboka dia efa tamin'ny 16h vao nilazana fa foana ny match fa tsy tonga ny arbitre. Tezitra ny olona ka nanomboka nimenomenona. Nidina teny ankianja namotika ny harato sy izay sendra azy.Naneho ny tsy hafaliany ny lehilahy lehibe irey ary dia niafara tamin'ny herisetra nataon'ny polisy taminy izany. Hitsakitsaka no nahazo azy. Nirongatra amin'izay ny olona nanimba zavatra sy nitaky fanazavana, satria ny vola voaloa tsy ho tafaverina intsony.. Nalaina tamin'ny ambulance tao ilay rangahy io ary heno avy eo fa maty tany amin'ny hopitaly. Ny tora-bato kosa nitohy hatrany ka ireo tany ivelany no mitoraka ny aty anatiny. Izaho amin'io narovan'ny police nentina niditra tao amin'ny stade fa na ny mpanao gazety, na ny olon-tsotra maka sary dia samy tsy zakan'ny olona ka lasibatry ny tora-bato ihany koa. Tafasaraka tamin'ny zanako roa vavy aho ary soa fa nitondra phone izy ireo. Talohan'ny nanatonako ny stade dia navelako teny akaikin'ny moron'Anosy izy ireo. Nantsoiko haningana ka nasaiko nadositra nankany  Analakely . Niantso ny tany an-trano indray aho haka azy ireo avy eo. Lany anefa ny credit-ko ka tsy tafita ny hafatra. Izy roa kely amin'io efa an-dalana hamonjy an'Analakely. Soa fa niantso ahy tampoka ny anabaviko ka io no nasaiko nilaza maika tany an-trano sy nanazavako ny zavatra rehetra.
Vao maika nitombo ny hatezeran'ny olona ary tonga hatrany Analakely cinema Ritz ny gidragidra. Rehefa mety ho lalana nivoaka an'i Mahamasina dia nisy izany gidragidra izany avokoa. Tao anaty Stade dia fiara roa no naongan'ny olona ka nodorany. Tsy fantatro aloha na an'iza na an'iza ireo. Roa no olona nalefa tany amin'ny hopitaly, ka ny iray no heno (marihako tsara fa heno) fa hoe maty. Rehefa mahazo vaovao misimisy kokoa aho dia ampitaiko aminao ihany. Izay hijery ny video kosa dia afaka mijery izany any amin'ny  france24 fa nalefako any. Ialako tsiny indrindra.
Fa  ny fanontaniana mipetraka dia ity: aiza ho aiza ny andraikitr'ireo arbitre raha nilaza ny ho avy nefa tsy tonga,? Aiza ny andraikitry ny CAF ? ary ny an'ny Federation Malgache ?  Angaha tsy fantatra mialoha be hoe tsy ho avy ny arbitre? Ahoana ny amin'ny aina nafoy sy ny naratra ? sns...
TSy navela hisoka-bava tamin'izay manadihady moa ny police, fa kosa tsy afaka manakana ny mpanao gazet tsy haka sary. Soa fa mba tafiditra ho isan'ny mpanao gazety ny tena tamin'iny fa raha tsy izany dia asa fotsiny.
Ireto santionan-tsary misy hojerena fa mbola betsaka moa ny aty fa ny fotoana no tsy ampy handefasana azy.
Vaovao farany:
3 ny arbitres nandrasana. Tsy tonga anefa ny comorien iray. Saiky hosoloina Malagasy mba handehanan'ny lalao. Tsy nanaiky ny Costa do Sol. Niandry ny Commissaire au match ny federasiona malagasin'ny baolina kitra tamin'ny folo. Tsy tonga anefa ileio, ary rehefa nozahana dia tany amin'ny Costa do sol no hita izy. Zavatra izay tsy tokony ho nataony velively ny manatona ekipa alohan'ny match toy izao. Tsy nanome baiko koa anefa izy hoe hisy ihany na tsia ny fihaonana. Noho izany dia naman'ny misy ny fihaonana hatramin'ny ora farany.
Taorian'ny gidragidra dia tapaka fa haverina ny Talata 04 mars amin'ny 14h 30 ny fihaonana ary ny federation no hitady ny kianja sy hanao izay hahatomombana azy. Hisy ny fanafarana mpitsara avy atsy Maorisy mba hameno ny banga ho fanampin'ireo comoriens roalahy efa eto Antananarivo.
5 naratra ka 3 mpitandro ny filaminana
12 voasambotra
2 fiara may
maro kosa ireo fiara simba sy vaky fitaratra. Anisan'ny nitondra faisana tamin'izany ny tobin'ny polisy etsy Mahamasina
Nandalo teny amin'ny toby andraisana ireo tra-boina eny Anosizato Andrefana aho ny sabotsy (23-02-2008) maraina teo. Nanatona tao amin'ilay birao misahana sy manara-maso azy ireo izay tsy lavitra ilay toby fa eo anila eo ihany. Lehilahy roa no tao ary dia napetraka ny fanontaniana. Tsy nandà ny hamaly izy ireo saingy ilay fomba famaly kosa no nahavariana. Misy trano lay ampolony eo eny amin'ity toerana ity, ka telo no lehibe (UNICEF) ary ny sisa kosa dia kelikely miloko manga. Raha nanontany ny amin'ny isan'ny olona raisina an-tànana eo amin'ity toerana ity aho dia tsy mazava ny valinteny fa nolazaina fotsiny hoe "fianakaviana eo amin'ny 15 na mahery kely eo no anatin'ny trano lay miloko manga iray, nefa angatahanay ianao mba tsy hilaza izany fa manàla baràka antsika Malagasy,. Ataovy eo amin'ny fito isaky ny trano lay eo". Nolazaiko mantsy fa tsy ho an'ny eto an-toerana ny sary sy ny vaovao fa ho an'ireo Malagasy any am-pita. Zendana aho satria ahoana moa no ahafahana manao fanampiana mifanentana amin'ny zava-misy raha toa ka afenina toy izany ny isa tena marina. Fokontany enina avy ao anatin'ity Commune rurale Anosizato Andrefana ity no sahanin'ny toby. Efa manomboka miseho ny aretina toy ny fahasemporana izay voatery nampidirana hopitaly zaza iray, eo koa ny kohaka sy ny tazo ary ny aretin'ny vanin-taolana.Ny tena loza dia ity: tsy hitako teny hoe aiza izy ireo no mivoaka sy midio. Olona sendra nanontaniako teo an-toby no nilaza fa dia eny amin'ny takontakona eny no manao fa tsy maharaka ny foto-drafitrasa momba izany. Eo koa ny fampiasàn'izy ireo ny rano avy amin'ny tanimbary eo akaiky eo amin'ny fiainana andavanandro. Na hidiovana sy hanasana lamba izany , na hanaovana sakafo.
Trano lay 50 hatramin'izao no fantatra fa nomen'ny BNGRC ho an'ny tra-boina miisa eo amin'ny 20.000 latsaka kely eto Antananarivo. Raha atao ny salan'isa amin'io dia manome hoe trano lay 1 ho an'olona 400. Izay mba afaka namonjy fianakaviana, na olom-pantatra moa dia arahaba soa, arahaba tsara. Fa ho an'ireo tsy afa-manoatra kosa dia ny fotaka, ny hatsiaka sy ny loto no iainana isanandro mandra-pahita izay tsaratsara kokoa noho ny anio.
Mandalo matetika ao amin'ity toby ity ny Croix Rouge mitondra izay toro-hevitra tokony hampitaina, sy mizaha ny fahasalaman'ireo mila izany. Isaorana azy ireo izany. Misy ihany koa ny mpisahana manokana ny fandriampahalemana ao (agents de sécurité) izay sady manampy ny olona ihany koa amin'ny fananganana ireo trano lay. Na ny làlana mitondra anao ho any amin'ity toby ity fotsiny aza dia efa fotaka mandrevo tsy misy toy izany. Bisikleta moa no nampiasaina ka dia mibolisatra lava eny eee!
Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy misakana velively ny tsiky sy ny fanantenana tsy hisoritra eny amin'ny endrik'ireto Malagasy tra-pahavoazana ireto . Malagasy izay manantena ahy, miandrandra anao, miandry antsika rehetra. Na dia teny fankaherezana kely fotsiny aza mantsy dia efa fisaorana mitafotafo no andraisan'izy ireo izany. Tsaroako eto ilay ramatoa be nangataka izay mba azo atolotra hividiany kafe. Ranombavaka sy tso-drano no takalon'ilay Ar200 kely taty ampaosy nomeko azy. Dia avy daholo koa ny sasany sao mbola mba misy anjarany angamba.
Nifandrombahana avy eo ny nijery ny sary sy ny video avy nalaina. Fifanosehana re izao. Raha mba tany mantsy ianao, angamba mbola ho hafa noho izay ny fifalian'izy ireo.
Azonao atao ny mijery izany sary izany ao amin'ny www.flickr.com/photos/23374141@N04
Sisam-paty no fialazan-tsika Malagasy ny olona na zavatra avy nisedra ny mafy toy ireny avy nosedraina tamin'i IVAN ireny. Na dia voalaza fa tsy nisy azany maty tany Sainte Marie dia aleo indramintsika ihany io fiteny io hatao lohateny.
Tonga omaly alina avy any Sainte Marie ilay vehivavy niantso ny rainy taty Antananarivo. Izy mivady izay tsy iza fa mpitantana ny hotely Antsara no niara-nody, ka ny raiamandreniny avy aty an-drenivohitra no nanefa ny saran-dalana tamin'ny Air Madagascar satria tsy nisy noraisina intsony izy ireo. Rava fananana tanteraka. Tamin-dranomaso no nilazan'i Laurent (vadin'i Judith ilay vehivavy niantso) fa voatery nilaozany any tsy misy mpiahy, tsy misy "hoavy" (avenir incertain) ireo mpiasany. Mora hoy izy ireo ny mitantara izay nitranga, fa ny niaina azy no tena faran'izay mafy. Ary tsy hay eritreretina mihitsy.
Raha vao nanomboka nisasaka ny alin'ny sabotsy dia nitsoka mafy ny rivotra, nihovitrovitra ny be ny bungalows. Afaka mba nivoaka ny trano ihany izy ireo talohan'ny nidabohan'ilay hazo nandrava ny trano nisy azy . Nihazakazaka tanaty rivotra sy orana nankany amin'ilay restaurant Antsara mba hialoka tao. Niantsoantso tamin'ny feo mafy nandritra izany fotoana izany mba hanaitra ny mpiasa rehetra. Marihana fa ankoatra azy mivady ireto dia fantatra izany izao fa zaza 2 taona, 4 taona, 6 taona, 12 taona ary 21 taona hafa miampy mpiasa iray antsoina hoe Doris no tavela farany tao.
Voalazan'ny rainy (RABENATOANDRO Simon) fa antso 150 no nataony mba hilàna vonjy tamin'izay rehetra afaka nantsoina (miaramila sy tompon'andraikitra sivily maro), saingy indrisy. 70 ora niainan'izy mivady tanaty ahiahy sy tebiteby, teo ampiandrasana izay nahazo an-janany no takalon'izany. Zanany fahatelo i Judith.
Raha iverenana ny tantaran'i Sainte Marie sy Judith ary Laurent dia olona folo izy ireo tany ampiandohana, saingy rehefa samy nikaroka izay haleha dia lasa any amin'ny toeran-kafa ny roa, ka valo sisa tavela tao an-toerana, dia izy mivady sy iretsy voalaza ery ambony. Tany anaty toilett (1m²) no nisitrika, niaro tena aloha. Ary tao no nandefasany ilay antso tokana nankany amin'ny rainy. Tapaka nanomboka teo ny fifandraisana. Tanaty korontan-javatra nandritry ny adiny 8 no niandrasana izay ho tohin'ny tantara. Nandeha nila vonjy tany an-tanandehibe i Laurent ny Alatsinainy taorian'io. Ny sisa kosa nijanona tao Sainte Marie niandry. Sisan-kanina tao amin'ny restaurant  sy papaye latsaka teny amin'ny tany no sakafo nivelomana nandritra izany rehetra izany. Ary tsy nisy intsony mandra-piverin'i Laurent avy nitady vonjy.
Rava daholo rehefa mety ho (cases en falafa) trano falafa, tapaka rehefa hazo.
i Laurent sy Judith no hany olona afaka niala tao Sainte Marie hatramin'izao, raha ny filazany, rehefa tsy maintsy nisaraka tamin'ireo olona enina niara-nizaka ny mafy taminy.
Tsy maintsy manomboka amin'ny tsy misy indray izany izao ny fiainan'izy mivady taorian'iny IVAN iny. Ary mbola mampiasa saina an'i Laurent ny ampitson'ireo mpiasany, izay hany fivelomany ny asa tao amin'ilay restaurant Antsara
Dia tena misy tsy vanombanon-toetra ny olona an! Momba ilay resaka Sainte Marie dia nataon'ny mpanao gazety izay nahitana ny rain'ilay niantso nila vonjy avy any Sainte Marie . Ary isaorana i Fanja Saholiarisoa (www.lexpressmada.com du 20-02-2008 page 7)  fa nampitainy ao ny hafatra avy amin'ilay raim-pianakaviana. Toy izao izany hafatra izany "Les personnes ensevelies sous les decombres de l'hotel Antsara à Sainte Marie s(en sont, par contre, sorties saines et sauves". Toraka voninkazo ho an'i Fanja. Fa ny tena zava-doza tamin'iny lalao ratsy iny dia raha sanatria moa ka mba olona taizan'aretim-po ilay fianakaviana namaky ny LA UNE nilazana ilay vaovao ratsy hoe maty , dia mba ahoana?
Tsy dia hanome tsiny be fahatany anefa aho, satria dimy minitra talohan'ny nanoratako ity dia mbola tsy mety mahazo an'ireo laharana narosoko anao teto, fa tsy misy réseau angamba ny ORANGE any. Raha akapoka izany ny fandehan'ity tantara ity dia io lafiny fifandraisana io no  tsy nahafahana nanamarina haingana ny vaovao (raha tsy vao omaly) Izay no tena fositra. Niezaka ihany moa izahay ny nanangona, ary mbola hanangona araka izay azo atao. Fa hatreto aloha izany dia izay ny momba iny resaka iny
Eto dia manolotra fialantsiny betsaka aho ho anareo mpamaky, na izaho izay niandry tamin'ny RNM nandritry ny alina, sy nahita ny lohatenim-baovao vao maraina aza dia mba VOAFITAKA ihany koa. Tohina ka avy hatrany dia nampita taminareo ny vaovao vao mafana. Miala tsiny koa amin'ireo fianakaviana mety ho taitra nahita ity lahatsoratra ity. Tsy namoaka ity mihitsy aho androany raha tsy efa hoe "ny rain'ilay tra-doza mihitsy" no nanamafy ny vaovao tsara. Izay inoako fa dia noho ny fahaizan'ny Malagasy mifanome tanana manoloana ny loza sy antambo toy ireny no naha-avotra azy ireo..
Eto ampamaranana dia tsetsatsetsa tsy aritra ity. Nisy vehivavy teraka tampoka nandritry ny évacuation natao azy, ary dia nomen'ny chef du corps des sapeurs pompiers toro-hevitra ireo raiamandreny mba hahatsiarovana ny andro omaly. Iza hoy ianao no natao anaran'ny zaza : IVAN IKOPA.
Teo koa ny resadresaka fohy nataoko tamin'ireo olona hitako teo anoloan'ny Parking JUMBO SMART. Efa ho tamin'ny roa maraina ny sasany tamin'izy ireo no teo araka ny filazany, ary amin'ny dimy hariva aho no miresaka aminy. "Tsy mbola nisy nijery izahay" hoy izy ireo "ary ny ampitsonay mbola tsy fantatra. Ny fitaovana fiasako sy ny akoho amam-boroko lasan'ny rano any daholo, tsy nahavimbina afa-tsy ny tety an-koditra izahay miampy ireto seau sy vilany kely ireto. Ary lamba firakotra sendra voaramby. Ny ankizy manomboka manavin'ny hatsiaka, ny lehibe efa kodron'ny harerahana. Ny hanina tsy nisy afa-tsy izay natolotr'ireo sendra niantra. Tsy haiko intsony hoe ahoana no mbola hahafahanay miaina aorian'izao. Tsy fantatra izay ny trano na efa nirodana na ahoana fa efa iray metatra amin'ny tafonay sisa tazanay farany tamin'ny fotoana nakan'ny vedette anay tany. Eto (anoloan'ny JUMBO SMART Tanjombato) izahay no mitangorona sy mifampikarakara ambara-pahatongan'ny fanampiana sy ny hoe ho aiza". Izany no toreo henonao raha nandeha teny an-toerana omaly hariva tamin'ny dimy ora. Ny orana anefa amin'izany tsy mitsahatra ny milatsaka, na dia tsy mivatravatra aza fa mitohy sy mijanona.
Azonao jerena amin'ireto rohy ireto ny herin'ny rano eny an-toerana
http://www.youtube.com/watch?v=TzqwfOBo-CI
http://www.youtube.com/watch?v=_VLOafeZqgw
http://www.youtube.com/watch?v=QlDaWSx_ri4
http://www.youtube.com/watch?v=Mh1tH_h-OTY
(jereo koa ny sarin'ny fandalovan'i IVAN teto Antananarivo  etsy amin'ny rohy SARIN'I AVYLAVITRA More Photos)
Ny zavatra tena mampihetsi-po ahy taty farany teo izao dia ireo olona teny Ambohimanarina. Trano gasy efa tena antitra be no nirodana omaly alina. Olona efa ho roapolo latsaka no voalaza fa nonina tao. Reny bevohoka iray no tany ambany indrindra. Nihotsaka io trano io tamin'io alina io tokony ho tamin'ny 8 ora alina. Soa fa tena nahafinaritra ny fifanomezan-tanana teo amin'ny samy Malagasy, ka ny fokonolona ihany aza dia efa nahafaka ireo olona tototra sy tra-doza tao, talohan'ny nahatongavan'ny pompiers avy any Tsaralalana. Ny nanatitra ny naratra nankeny amin'ny hopitaly sisa no nataon'ireto farany (rafotsibe iray nianjeran'ny beton, tongotra lavarangana sy zazakely iray nipitika avy tao amin'ilay trano no hitako ho tena vizana) , ary ny nanala izay poti-javatra mety ahiana mbola hitondra loza. Afa-jaza ilay vehivavy bevohoka tao ambany rihana
Niserana vao maraina teny Analakely sy Petites vitesses aho, ary dia nahita fa na ny andrin-jiro JIRAMA teo afovoan'ny avenue aza dia nazeran'i Ivan, ny fefy manodidina ny zaridaina sy ny rano eo Behoririka dia niongotra amin'ny ampahany maro. Ny ranon'Ikopa koa efa hivoaka ny làlany noho ny tsy fahazakàny intsony ny débit avy any Tsiazompaniry izay lasa impito na imbalo avo heny amin'ny tokony ho izy.
Ireny olona rava trano sy tsy manan-kialofana ireny no mba tiako hotsinjovina manokana amin'izao fotoam-pahavaratra izao, ary anaovako antso avo amin'ny tsara sitra-po izay afaka manao izany. Raha mba afaka mantsy aho nitondra ankoatry ny fankaherezana sy ny safosafoko, dia ho nataoko izany. Hitako mantsy fa na manao aza ny fanjakana, dia na tsy maharaka ny fandehan'ny fitrangan-javatra intsony (debordé et dépassé, angamba no azo ilazàna azy) Tato anatin'ny andro vitsy izao dia trano maromaro no nirodana ho an'Antananarivo fotsiny (Ambatoroka, Ambohimanarina, Soavimasoandro, sns... tsy ho tadidiko daholo).
Raha misy afaka manampy toy izany izy ireny dia tolorana fisaorana sy fankasitrahana indrindra. Marina fa efa manana ny fiandry ihany ny BNGRC sy ny Ministera isan-tokony (na fitaovana, na fanafody, na trano lay...), fa amiko, raha mba mitsangana koa isika hitondra izay azo entina, dia efa fampitrakàna ny lohan'ireo natanondriky ny loza sy antambo sahady izany, ary ho ohatra koa ho an'ny hafa. Angamba mba hanao tache d'huile ka hihitatra toy ny sima misioka avy eo. Miala tsiny fa toy ny diso lasa fientanam-po loatra ny zavatra lazaiko.
Niditra tao Sainte Marie omaly ny cyclone IVAN. Nandrava zavatra maro, fa ny tena tiako hampitaina eto dia ny fahatapahan'ny fifandraisana nahatonga faty olona sivy tany an-toerana. Omaly dia nisy vehivavy niantso maika ny rainy  taty Antananarivo nilaza fa nianjeran-javatra ny hotely nisy azy ary dia nirodana ka tototra ao miaraka amin'ny olona valo hafa izy. Ary dia io rainy io kosa nandefa antso vonjy tao amin'ny RNM (Radio National Malagasy). Naverina tao amin'ny Radio io antso io sao mba misy afaka mamonjy azy ireo  any an-toerana. Rehefa avy nandefa ny antso tao amin'ny Radio ity raim-pianakaviana dia niverina niantso an-janany tamin'ny telefaonina indray, nefa indrisy fa tsy nisy nandray intsony izay antso rehetra nataony.
Na izahay nihaino ny radio aza dia nangitakitaka sy nientana anaty ihany niandry izay tohin'ity tantara ratsy ity mndra-paharainan'ny andro.
Tapaka daholo ny fifandraisana tany an-teorana taorian'ilay antso nataon'ilay ray mahantra. Eny fa na ny BLU tokony ho nampiasain'ny BNGRC (sampana misahana ny vonjy taitra mandritry ny tranga toy izao) aza dia tsy nandeha. Koa lasa antso tany an-tany efitra ilay filàna vonjy nataony.
Nivoaka tamin'ny gazety rehetra androany maraina fa tapitra maty avokoa ireo olona sivy tototra tao amin'ity hotely tra-doza ity. Indrisy, mampalahelo.
Maniry fiononana feno ho an'ny fianakavian'izy ireo, no sady maniry koa ny hahitana vaha olana momba ny antony nahafaty azy ireo vokatry ny tsy fahatomombanan'ny fifandraisana ka tsy nahafahana nandray andraikitra ara-potoana.
Tsy misy ny fampianarana eto amin'ny faritra Analamanga androany 18-02-2008 noho i IVAN mbola mitoetra ato anatin'ny faritra (ao Ankazobe ny foibeny tamin'ny telo maraina teo), na dia efa tara be tokoa aza vao nalefa ny filazana (maro tamin'ireo raiamandreny no nisavily teo anelanelan'ny hoe halefa sa tsia any ampianarana ny ankizy). Efa lasa nivoaka ny trano daholo mantsy ny ankabeazan'ireo mpiditra maraina vao namoaka fialazana ny fari-piadidiam-pampianarana fa hoe foanana ny fampianarana anio
FASAN'NY KARANA
"Eny amin'ny fàsan'ny karana" no fiteny rehefa mandray fiarakaretsaka hamonjy ny toby fiantsonan'ny fiara mpitatitra mankany amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara ianao.
Misy fàsana fandorana fatin-na karàna mantsy eo ampita kelin'io toby io.Very anàrana ny toerana, tsy voatonona intsony ny hoe eny Ankadimbahoaka izay anaran'ny toerana. Izay eo ihany, fa izay mety ho fahaverézana hafa no tiako ho resàhana amintsika eto. Nasiana fikojakojàna io toerana io nanomboka ny 04-02-2008 teo. Rehefa fotoam-pahavàratra toy izao mantsy dia milomano anaty fotaka mandrevo ny mpitatitra sy ny mpandeha. Tsy lazàina intsony ny loto sy ny fofona tsy maintsy iarétana eo.
Raha sendra nandàlo teny aho dia nahita fa ny zàvatra nahamàika natao voalohany dia ny nampitovy tàntana ny toerana. Tsy nisy ny fieritrerétana hanàla ny tany izay efa toy ny zezika mihitsy teo amin'ilay toerana hitako ( izay tany amin'ny tàkona tsy tàzako tany no asa! satria tena maharikoriko ny hiditra lalina amin'io faritra io noho ny rano miandrona sy ny fotaka) fa dia nalàmaka fotsiny  tamin'ireny fitaovana goavana be ireny ilay izy.
Vola amina milliards anefa no ho laniana eo. Enga anie mba ho fijerin'ilay maika no nataoko, fa mba ho vita tsara tokoa araka izay andràsan'ny maro ilay izy. Ny zavatra nahalàsa ny saina fotsiny dia ity: ilain'ny tompon'ny io toerana io afaka roa taona
(satria tanin'olon-tsotra izy io). Dia ahoana ny volabe amina milliards lanian'ny fanjakana eo? Sa sanatria hangàina ny tompony rehefa hilàza ny fanjakàna afaka roa taona, toy izay efa nataony rahateo tamin'ny fakany ny tany teny Ampasampito, fa hoe ho fanasoavam-bahoaka dia alain'ny  fitondràna ny tany? Toa sarotra ihany mantsy ny hisàina hoe hampiàsa volabe amin-jàvatra iray efa nampahafantàrin'ny tompony mialoha fa ho ampiasàiny afaka roa taona.
Raha tsy sanatria angaha hoe misy zavatra hafa tian-kosaronana amin'ilay fihetsika.
Aza hitako anie izany!
Hafatra nisy nandefa tamiko izy ity ary anio vao hitako. Tsy aritro fa zaraiko aminareo eto. 12-02-2008 isika izao, nefa ny teny rehetra voasoratra ato anatiny no mba tiako hodinihana sy hosaintsainin-tsika mamaky. Fa mba nankaiza tokoa moa ny fankasitrahana ireny olon'ny tantara ireny e? Sa dia hoe aleo ny lasa homba ny lasa ?
From: Rabesata
Sent: Saturday, February 09, 2008 11:14 AM
Subject: Mba RARINY vé ?
Natao tsy mba mahay mankasitra ve ? isika Malagasy . !  saha minia tsy mahalala ny adidy eo amin’ny firenena sy ny mpiray tanindrazana ?
Dia iray minitra monja no hatao amin’ny namohy ny ainy ho an’ny Firenena
IRAY MINITRA ISA-TAONA HO an-DRATSIMANDRAVA
Feno 34 taona amin’ity taona ity ny namonoana ny Kolonely RATSIMANDRAVA.
Ny taona vitsy nanaraka dia nisy ny fahatsiarovana azy tamin’ny fomba nanetriketrika nokarakarain’ny Pastora isany RALIBERA sy FETY MICHEL ka nanaovana fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. . Hatramin’ny nahafatesan’izy mirahalahy dia nangina. Toa hadino RATSIMANDRAVA, ilay « tsy hiamboho adidy ».
Ny SEDODIA no namoha ny ahatsiarovana taty aoriandriana kananatitra voninkazo teny amin’ny tsangambatony teny Ambohijatovo niaraka  tamin’ireo niaraka tany amin’ny Sekoly Saint-Cir sy ireo niaraka taminy tao amin’ny governemanta RAMANANTSOA. Tsy nisy kabary. IZAY NO MAHA IRAY MINITRA  ISA-TAONA HO AN-DRATSIMANDRAVA AZY.
Koa amin’ity  taona ity dia asaina ny mponin’Antananarivo hiaraka hanatitra voninkazo eny amin’ny tsangabaton’ ilay "tsy hiamboho adidy" androany Alatsinainy 11 Febroary amin’ny 11 ora. Asaina manokana ny fianakaviany,  ny  mpiangona ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, ireo niaraka taminy tany  amin’ny Sekoly Saint-Cyr, ireo niaraka taminy tao amin’ny Governemanta RAMANANTSOA.
Ny olona maritiora toy izao dia tsaroan’ny mpiray tanindrazana lalandava. Ny an’ny amerikana ny pasitora MARTIN LUTHER KING izay maty nisy nitifitra dia namoahan’ny Prezida Ronald REAGAN didy ho androm-pirenena tsy iasana anefa andraisan-karama ny alatsinainy isan-taona izay tsingerin-taona nahaterahany, noho ny ady fitovian-jon' ny mainty sy fotsy hoditra. Ny kolonely RATSIMANDRAVA dia niady hoan’ny "FOKONOLONA no fototra eo amin’ny fitondram-panjakana sy ho amin’ny fiandrianam- pirenena".
Ny  rariny sy hitsiny dia ny Prezidan’ny Repoblika sy ny Ben’ny tananan’ANTANANARIVO- RENIVOHITRA no tokony hanao izao fahatsiarovana izao.
Izay liana te-hahafantatra bebe kokoa, indrindra ny tanora, dia tokony hamaky « Ny fokonolona », « Nahoana no avondrona ho fokonolona isika » nosoratan’i Pastora Fety MICHEL, « Maty ve RATSIMANDRAVA » nosoratan’i E.D. Andriamalala.
Antananarivo, faha 11 Febroary 2008-02-08
Ny SEDODIA
Sy ny Fikambanana Manaovasoa.
Aoka isika rehetra mba hihetsika hanohitra izany sy hanoratra mitambatra ho an’ny tomponandraikitra Malagasy fa tsy rariny izany .
Dia izay ny amin'iny Mailaka voaraiko iny. Mino aho fa nahaliana antsika rehetra.
Lahatsoratra nivoaka tamin'ity herinandro ity no entiko aminao eto. Maneho ny fahasahian'ny mpianatra, mampibaribary koa ny gaboraraky ny mpitantana (tsy hiteny aho hoe ny taloha ve sa ny ankehitriny), ary ny tsy fandraisana andraikitry ny sasany. Soa aloha fa mba nisy ny fidinana teny an-toerana tamin'ity indray maka ity ka nahafahan'ny mpanao gazety (toy ity amin'ny L'Hebdo de Madagascar ity) sy ny mpitantana ankehitriny (Benjamin Andriamparany Radavidson, ministre de l'Eduçation nationale et de la recherche scientifique sy  Will!am Rakotoarivony, Dg du Croua, Ankatso, 7 janvier 2008) namotsipotsitra ny tantara ratsy miseho eny an-toerana. Amin'ny teny frantsay ny lahatsoratra, nefa inoako fa tsy ho sarotra amin'ny rehetra izany.
L'hebdo N° 0155 . Du vendredi 1er au jeudi 07 février 2008. Page 04
L'assainissement dans les campus universitaires est devenu un objet de litige. Les étudiants "réguliers" manifestent depuis mercredi. Entre temps, les squatters persistent à y rester. Pourquoi d 'ailleurs quitter cet éden où on ne payent ni factures de la Jirama, ni loyer, et peuvent s'adonner à leurs activités sans contrainte? Etat des lieux.
véritable magasin d'alimentation générale. Toutes les marchandises, même les boissons aIcooliques et hygiéniques y sont vendues." Elles ne sont pourtant que le reflet des petits business qui se déroulent dans les logements. Profitant du courant électrique gratuit, des salons de coiffure travaillant à base d'une publicité de bouche à oreille, sont ouverts dans les chambres d'étudiantes. " Vous pourrez aussi y voir des poissonneries, des fabrications d'yaourts et de jus, tous des commerces utilisant des réfrigérateurs et des mixers" ,affirme un autre étudiant d' Ankatso II. Mais l'activité la plus répandue est la micro-édition: des étudiants ayant pu économiser un million ariary, achètent un ordinateur avec son imprimante, et affichent devant leur porte l'écriteau "saisie et impression." Faut-il alors s'étonner si les factures impayées de la Jirama conservées au Centre régional des œuvres universitaires d'Antananarivo (Croua) se sont élevées à 4,1 milliards ariary l'année dernière ?
Le comble est que cette utilisation abusive d' électricité n'est aucunement cachée. Même Bernhard Rohman, directeur général de la Jirama, admet que " des étudiants ou ex-étudiants pratiquent des activités à but lucratif qui consomment de l'électricité dans les cités ". Il compte sur le gouvernement pour l'aider à trouver une solution, " ne pouvant couper le courant dans les universités tout comme dans les hâpitaux". Conséquence logique de ces factures impayées, " près de 1 400 étudiants en " situation irrégulière" ont été répertoriés dans les campus "Des étudiants louent leur chambre pour des passes."
~ En couverture
Parce que l'eau courante est gratuite au campus, des lavandières viennent pour faire leurs lessives en plein couloir d'Ankatso , d'Antananarivo", confirme Célestin, chef du département de l'intendance des cités universitaires.
. C'est d'autant plus désolant que " des médecins, des
membres du personnel de l'Assemblée nationale, des fonctionnaires de ministères, des agents de police, des inspecteurs d'Etat, des enseignants, des coiffeuses, des réparateurs de mobiles, des commerçants y ont élu domicile ", se plaignent quelques étudiants réguliers. Selon Tiana, " si des assistants parlementaires et des anciens meneurs de grève notoires peuvent occuper les logements universitaires, c'est grâce à des interventions de politiciens". Le ministre Benjamin Andriamparany Radavidson a toutes les raisons de dépolitiser l'enseignement, surtout que la population universitaire est très vulnérable aux pressions diverses, surtout politiques. Le logement est aussi à la source d'un grand business. " La sous-location y est pratiquée à raison d'Ar 15 000 le mois", précise Rasolomanana, chef du service de la section A d'Ankatso II. " Une chambre à Ankatso I se vend aussi à Ar 1 200 000 contre Ar 700 000 à Ankatso II ",précise Tahina Nahitantsoa, étudiant en gestion. Cela s'effectue de gré à gré entre étudiants. Be Honoré Rajaonarivelo, président des étudiants du Sud-est, réfute cette assertion en arguant que" c'est plutôt une façon de rembourser le coût de la réhabilitation de la chambre que l'étudiant a supporté, puisque l'université ne prend plus en charge les réparations".
Fanomezantsoa, étudiant non résidant, témoigne que, pour sa part, "Il a loué une chambre à Ankatso I pour une passe". Les faux étudiants sont aussi concernés par la location et vente de logements. Ils utilisent toutefois d'autres moyens pour pouvoir y rester." Soit ils s'inscrivent à une quelconque filière, soit ils occupent une chambre enregistrée au nom d'un proche ou d'une connaissance, avec qui ils sont en contact permanent, en prévision de tout contrôle", explique Tiana.
A souligner " qu'un ancien étudiant en médecine était arrivé à y habiter pendant une vingtaine d'années, pour que son fils, actuellement à l'université, en devienne le locataire légal!" C'est Nirina, une résidante d'Ankatso II, qui évoque ce cas.
Pour mettre fin à toute cette "magouille" universitaire, Célestin et Rasolomanana proposent "la fermeture des cités U- pendant les vacances et l'installation d'une clôture entourant l'enceinte universitaire pour permettre au concierge d'assurer un bon contrôle ".
Signé : Aina Rabako et VirginieRatovonjanahary
Koa hahagaga ary ve raha maty antoka ny Jirama, raha mihasimba ny foto-pisainan'ireo mivoaka avy any Ankatso satria eny no aianarana ny "magouilles" isan-karazany, raha potika ny ampitso izay noeritreretina ho mamiratra?
Anjarantsika mamaky ny mamaly ny fanontaniana